33.WTF!

12345387_1084779664868170_3720308210135508629_n

Feno 33 taona aho. Efa lehibe hoy ny sasany, mbola tanora hoy ny hafa. Anisan’ny mahafinaritra ahy ny manamarika ny andro fitsingerenan’ny fahaterahako toy izao. Mahafaly ahy ny mihaona sy miaraka mikorana amin’ny namana sy tapaka mba ho entina hanamarihana izany “andro malaza indrindra eto ambony ny tany” izany. Mahafaly ahy koa ny maharay hafatra avy amin’ireo olom-patatra, na tsia, eto amin’ny internet na sms. Firarian-tsoa, fiarahabana no voaraiko matetika. Fa misy koa ny hafatra mahasorena ahy, indrindra ilay manao hoe “Manambadia amin’izay”. WTF!

 

Ho  an’ny olona maro, indrindra fa isika malagasy mantsy dia mahasadaikatra ihany, ary tena manahirana sy saintsika malagasy mihintsy izany hoe 33 taona nefa tsy mbola manambasy izany. Toy ireny tsy miaina intsony, ary tsy nahatratra tanjona na koa resy sy tsy misy fotony ny olona iray raha toa ka tsy manambady rehefa mitovy taona amiko. Mipetraka daholo izao fanontaniana rehetra izao : Sao dia pelaka e? Sao dia momba e? Saron-kenatra angaha? WTF!

 

Safidy io. Misafidy ny tsy (mbola) ny hamatotra ny tenako amin’izay fanambadiana aho hatreto. Tsy hoe tsy tia vehivavy aho (WTF!), tsy hoe tsy mahavelon-…..bady koa, tsy hoe tsy mahazaka sipa koa, fa nisafidy ny (mbola) tsy hanambady aho amin’izao faha-33 taonako izao. Tsotra ho ahy ny resaka : Izay mety amiko tsy mety aminao, ary izay mety aminao tsy voatery mety amiko. Miaina tsara aho, falifaly isan’andro, mahavita ny adidiko amin’ny fiaraha-monina, koa tsy hitako izay hahamaika ahy hilingilingy hanambady. Misy ny manaiky ny ho voafehin’ilay peratra, izay tsy (mbola) manaiky ny ho fehezina amin’iny. Izay ho avy, ho hita eo, fa ho ahy dia tsy tanjona napetrako eo amin’ny fiainako ny fanambadiana, ary tsy hoe lalana tsy maintsy diavina fa toy ny safidy rehetra ihany. Tapitra. WTF!

 

PS : Ho anareo mamaky, aza tezitra raha ohatr’izay ny fomba fiteniko, fa izay aho, tsy hiova amin’izay. Raha tsy zakanao ilay fiteny dia ianao no mila miova … blog ho vakiana. 12345387_1084779664868170_3720308210135508629_n

Advertisements

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s