Madagasikara: Nomena an’dRakotomamonjy Jean Max ny Fitarihana ny ao Tsimbazaza.

Solombavambahoaka 111 amin’ny 111 tonga nandatsabato no nandany fa nomena an’dRakotomamonjy Jean Max ny fitarihana ny Anteninieram-pirenenan’i Madagasikara ny 03 Mey 2014. Avy amin’ny vondrona PMP moa ity lasa filohan’ny andrimpanjakana mpanao lalana ity, izay hany kandida tokana nirotsaka ho amin’izany toerana izany. 59 taona izy, manana ny marimpahaizana “license en économie”, solombavambahoakan’i Madagasikara lany tao Andapa, efa minisitry ny fizahantany tao amin’ny tetezamita ary efa mpikambana tao amin’ny filankevitra ambonin’ny tetezamita ihany koa.

RAKOTOMAMONJY Jean Max; Filohan'ny Antenimieran'i Madagasikara
RAKOTOMAMONJY Jean Max; Filohan’ny Antenimieran’i Madagasikara
blockquote>Voalohany indrindra dia atao ny fandaniana ireo lalàna afahan’ny vahoaka mioty ny vokatry ny asa fampandrosoana satria efa ela loatra nihodikodinana ny firenena. Miroso amin’izao ny fampandrosoana ka izay aloha no imasoana. Manarak’izay ihany koa dia ilaina ny hisian’ny fitoniana, fifankatiavana eto amin’ny firenena mba hialana amin’ny ady amin’ny samy malagasy ka tokony hajanona amin’izay izany fa pejy vaovao no irosoan’i Madagasikara manomboka izao.

Izay no nambarany vao lany izy.

Notanterahina io hariva ny 04 Mey io koa ny filoha lefitra isam-paritany 6 ka toy izao ny vokatra tamin’izany:

– FIANARANTSOA: ANDRIANARIVO Harimampianina Razakarivelo (IND – Ambositra)
– ANTSIRANANA: MAHAZOASY Mananjara Freddie Richard (MDM – Antsiranana I)
– ANTANANARIVO: RAZAFIMANANTSOA Lobo Hanitriniaina (Mouvance ravalomanana – Antananarivo I)
– TOAMASINA: RAZAFINDRAVELO Hermann (MAPAR – Fénérivo Antsinanana)
– MAHAJANGA: REMI dit JAO JEAN (VPM MMM – Antsohihy)
– TOLIARA: HELSON Brisson Erafa (IND – Toliara II)

Mitohy amin’ny fifidianana ireo kestera moa ny ao Tsimbazaza amin’izao fotoana hanoratanay izao…

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s