Madagasikara: Voatendry ho Praiminisitra i Kolo Roger

Natolotr’i Hery Rajaonarimampianina, Filoham-pirenen’i Madagasikara ny vahoaka malagasy ny Praiminisitra hiara hiasa aminy; Notanterahina teny Iavoloha androany 11 Aprily ny fanolorana ity praiminisitry ny Repoblika fahefatra ity . I Kolo Roger no lany tamin’izany. Novakiana teo imason’ny rehetra ny didimpanjakana mirakitra izany:

Didimpanjakana manendry ny Praiminisitry ny Repoblika faha efatra
Didimpanjakana manendry ny Praiminisitry ny Repoblika faha efatra

Anarana 18 no nisy nanatitra teny Ambohitsirohitra ka ireto antoko pilitika sy vondrona ireto ny nanolotra izany :

PATRAM
VPM-MMM
PSD
LEADER FANILO
HARENA
ADHEM FIZAFA
MTS
FFF
ZANAK’I DADA
MDM
PARTI VERT
LES AS

Ho antsika izay tsy mahalala firy ny momba ity praiminisitra ity dia indro misy famintiana fohy ny momba azy :

Kolo Roger, mpitsabo manampahaizana manokana amin’ny Fitarafana (radiologie).
Teraka ny 3 septambra 1943 tao Belo sur Tsiribihina, Kolo Roger dia niteraka telo ary manambady an’i Zakia Katoun izay zanaky ny faritry Belo sur Tsiribihina koa.
Fianarana ambaratonga fototra :
– EPP Maintirano
– EPP Mahajanga

Nanohy ny fianarana ambaratonga faharoa teto Antananarivo

Fianarana ambaratonga ambony :
– Ecole Normale Superieure
– Université an’ Antananarivo (sampana fitsaboana)
– Université fampiofanana mpitsabo any Genève, Suisse

Marim-pahaizana ambony anananany:
– Diplôme de Médecine, Genève (1982)
– Fahaizana manokana momba ny taratra (radiologie)

Ny asa efa nataony:
– Mpampianatra matematika sy fizika
-Mpitsabo tao Mahajanga
– Mpianatr’asa tany Frantsa
– Nanangana foibe momba ny taratra ( Radiologie) ho azy manokana ny taona 1997

Teo amin’ny sehatra politika dia tsy dia nisehoseho izy raha tsy tamin’ny taona 2013 izay nirotsahany ho filoham-pirenena. Noho izy tsy nonina teto Madagasikara tao anatin’ny 6 volana araka ny voalazan’ny lalana nefa dia nolavin’ny fitsarana ny firotsahany. Nony nahemotra ny fifidianana dia nanolotra an’i Hery Rajaonarimampianina izy sy Jules Etienne, kandida tsy nahafeno fepetra koa.

Izao fanendrena azy ho praiministra izao izany no sehatra idirany amin’ny sehatra politika. Olom-baovao izy. Izay aloha no azo lazaina. Izay politika itondrany ny governemanta kosa mbola tsy fantatra fa ny filoha Hery aloha dia mametraka toky aminy “satria efa nanampy antsika hatrizay izy” hoy ny filoha tao anaty ny kabariny.

One thought on “Madagasikara: Voatendry ho Praiminisitra i Kolo Roger

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s