Kongresin’antoko politika; fampielezankevitra handanina vola.

Haveriko atoraka ity lahatsoratra an’blaogy ity. Raha ny resaka ao anatiny dia efa nahitana fiovana ihany, saingy ny foto-kevitra nanoratana azy dia mbola mitombika hatrany ” Ny famatsim-bola’ny antoko politika sy ny fampielezan-kevitra”. Ny valandresaka nataon’ny Samifin tamin’ny Zoma 18 oktobra 2013 teo dia mamelona indray ireo resaka ireo.Antoko 4 amin’ireo 33 no manana kaonty manokana eny amin’ny banky afahana manamarina ny fitantanam-bola mandritra izao fampielezan-kevitra izao. Toy izany koa ny filazam-pananana teny amin’ny Bianco; olona 2 amin’ireo kandida 33 ireo ihany no nanatanteraka izany.

mandimby maharo

Edgard Razafindravahy Marie Noé, 48 taona ary Filohan’ny Delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo no atolotry ny antoko Tanora Malagasy Vonona ho kandida filoham-pirenena amin’ny volana jolay ho avy izao. Izy no voatendrin’ireo mpikambana taorian’ny Vovonam-pirenen’ity antoko naorin’ny Fat ity ny 05 sy 06 aprily lasa teo teny amin’ny Futura Andranomena. Raraka teny an-dalana noho izany izy roa lahy izay nifaninanana taminy, dia ny Minisitry ny volan’ny tetezamita  Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina sy ny  masoivoho ny Madagasikara any Genève Camille Vital. Niantefa tany amin’ity mpandraharaha sady tompon’orinasan’tserasera, ary manana fifandraisana manokana amin’ireo mpanefoefo sy mpanao politika atsy amin’ny nosy Maurice  ity noho izany ny fanantenan’ny TGV. Tsapa ihany koa nefa tamin’ny fihetsika nataon’ireo nanana fanantenana fa ho voatendry fa ho kandika fa misy ihany tsy fifankazahona tao. Ary hita koa fa na ireo mpikambana aza dia tsy dia mahazohazo loatra ity kandida ity. Na izany aza dia kandida mahafeno ny fepetra rehetra voafaritry…

View original post 427 more words

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s