Régis sy Jerôme: Mitarika posy ho an’ny ankizy malagasy

Regis et jerome5_n
Iray volana katroka no nanaovan’izy roalahy ireto ny lalana Toliary – Antananarivo. Nigadona tetsy 67 Ha atsimo omaly 15 Jolay tamin’ny 5ora sasany i Régis sy Jerôme, frantsay mametraka ho fanamby ny hitaroka posy mamakivaky an’i Madagascar. Hetsika mitondra anarana “Coup de Pousse-pousse pour les enfants de Madagascar”. Hetsika ataon’izy ireo hanonanana tetikasa fananganana ivontoerana fiahina ireo zaza mirenireny an-dalambe ao Antsirabe. Ity fitarihana posy mitety an’i Madagasikara ity dia ataon’izy roalahy mba ampietsehina ireo malalatanana rejetra sy oreo orinasa vaventy mba hanome fanampina amin’ny fananganana io ivontoerana io, izay mitentina 150 000 euros. Toy izao ny resadresaka nifanaovana tamin’izy roalahy ireto tamin’izany fahatongavany eto Antananarivoizany:

Miara-miasa amin’ny fikambanana Grandir à izy roalahy ireto amin’izao fananganana ivontoerana fitaizana zaza izao. Oty fikambanan ity izay efa nahazo ny tany afahany manorina.

200 km sisa alehan’izy roalahy ireto dia hisasaka ny lalany. Dia izay hiafara any Antsiranana raha ny fanirin’izy ireo. Ho ezahiny hovitaina ao anatin’ny 2 volana sy tapany ity dia ity satria 3 volana ihany ny fahazoan-dalana mivezivezy eto Madagasikara ananany. Ankoatr’io tanjona ny fananganana ivontoerana io dia anisan’ny ho ezahin’izy roalahy fa azo atao tsara ny motsidika an’i Madagasikara am-pilaminana na dia terantany vahiny aza izy ireo. Manatontosa horonantsary ireo toerana alehany noho izany izy roalahy hanamarinana izany. Andiana horonantsary maharitra 7 minitra tsirairay ireo ka ho alefa ao amin’ny Tvm manomboka amin’ny herinandro ambony.

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s