Mitsangana ! Mijoroa !

“Rehefa tsy isika izao dia iza? Rehefa tsy androany dia rahoviana? Mitsangana !! Mijoroa !!” Io no reny fanentanana nentin’ireo ao amin’ny Wake Up Madagascar niantsona ny olom-pirenena haneho hevitra ny 26 jona lasa teo teny amin’ny Tohatohabaton’Antaninarenina. Fihetsehana tselatra iombonana, na Flash Mob no notontosana tamin’izany. Fiombonana nentina ho fiombonanm-po sy firaisan-kina hanehona fa misy olom-pirenena vonona ny handray andraikitra eto hampandroso an’i Madagasikara.

wum812_n

wum7_n

Sary: Wake up Madagascar
Ireo olom-pirenena nandray anjara tamin’ilay hatsika tselatra

Tamin’ny 11 ora atoandro, indreo olom-pirenena maro no indray tsy nihetsika fa nanangana ny tanany, totohondry mivonkona. Avy eo dia indray niredona ny hirampirenena malagasy izy ireo. Nahavarina sy nampietam-po ireo mpandalo. Izay ihany koa no tanjona tamin’ity fiarahana ity: ny hanaitra ny mpiray tanindrazana mba handray andraikitra satria “Olom-pirenena isika fa tsy vahoaka”. “Olom-pirenena” mahalala izay tiana, mahalala ny mahasoa, manao izay hanatanterehana izay mahasoa izay, mandray ny andraikitra tandrify hanoritana ny ho avy. Fa tsy “vahoaka” tarihina, atao izay tiana, hitsakitsahana, entina miankavia dia miankavia, entina miankavanana dia miankavanana.

Raha tany anaty tambanjotra sosialy moa no nahaterahan’ity vondrona ity dia fivoahana noalohany iny nataon’izy ireo iny raha ny voalaza ao amin’ny pejy Facebook Wake Up MAdagascar. Mitombo isan’andro koa ireo olona manatevindaharana izany vondrona izany amin’ny fanehoan-kevitra ao anatin’ilay Tahirin-tsarin’ny olompirenena, izay hetsika mahaliana ny maro tokoa. Mbola hisy hoy izy ireo ny hesika hafa hanentanana ny olom-pirenena handray andraikitra fa santatra am-bavarano ihany iny.

2 thoughts on “Mitsangana ! Mijoroa !

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s