Mienjana ny Fiangonana #Katolika: Manohana ny #Ffkm ny any #Vatican.

Mazava ny resaka: leo an’i Andry Rajoelina ny any Vatikana ka hanohana ny ffkm mba hisin’ny Tetezamita vaovao. Rehefa avy nihaona tamin’ny Papa Raimasina François ny Fat dia nazava ny famintinana nataon’ny Radio Vatican fa manohana ny “fihaonan-doha fampihavanana natao hitadiavana vahaolana hamahana ny olana ao Madagasikara” nataon’ireo fiombonan’ny fiangonana kristiana malagasy ny ao amin’ny fiangonana katolika.

ImageSary Radio Vatican#

Tsy azo heverina sady magasadaikatra ny rehetra tokoa manko raha fitondrana tsy lanim-bahoaka fa notendren’ny tondrozotra napetraky ny any avy any ivelany no hanatanteraka ny fifidianana. Mahatsapa koa ny ao amin’ny fiangonana katolika izay “mandray anjara lehibe amin’ny fifampidinihina eo amin’ny firenena, sy ny fananany ireo ratsamangaikany marobe eo amin’ny lafiny fahasalamana sy ny fanabeazana’ fa mila filaminana ny firenena na dia misy aza ireo “ezaka nataon’i Madagasikara amin’ny fitonina sy ny fiverenan’ny fifandraisana iraisam-pirenena.”

Raha fintinina dia fiantsona no nalehan’ny Fat tany amin’i Papa François fa tsy fanasana akory. 15 minitra ny fihaonana teo amin’izy mianaka ireo ary hivoaka tsy ho ela ny fampitam-baovao mikasika izany.

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s