FAT, miomana hivadika Davida

Nandefa Sms ho an’ny malagasy (hono) ny FAT ny faran’ny taona 2012 teoka toy izao ny vonto-atiny:

“Fiantsoana ho an ny rehetra isan ambaratongany
Nanapakevitra aho tsy hilatsaka ho fidiana ho filohan ny repoblika amin ny 8 mey 2013 vokatrin ny fanerena mahazo ahy avy eo amin ireo firenen dehibe sy ny SADC Tsy rariny izany satria ny zontsika malagasy no voahitsaka ankehitriny sy ny fiandrianam pirenentsika Mangataka anareo vahoaka liam pahafahana haneho ampahibemaso eran ny Nosy ny tsy fankasitrahanareo an izany manomboka amin’ny voalohany janoary izao satria tsy nangalatra na namono olona ny tenako Mahereza amin izao fiandohan ny taona 2013, baikom-pitolomana ity, masina ny tanindrazana. Andry Rajoelina »

Be no tsy mino, ary be koa no mandray ity resaka Sms ity ho resaka mandeha fotsiny. Ny fahitana ny fihetsiketsehana rehetra tato anatin’ny iray volana izao nefa, indrindra fa taorian’ny fivorian’ny Sadc tany tanzany dia toa mampiditra ity soratra ity ho isan’ny drafitra ataon’ny ao Ambohitsirohitramba hanerena ity FAT ity hirotsaka io: nalefa tany frantsa aloha ny FAT taorian’ny nahenony fa tsy hilatsaka Ravalomanana Marc; Nanomboka ny 31 desambra teo indray dia nihazo an’i Israely araka ny fampitabaovao avy amin’ireo mpiara miasa aminy.

N°001 -P.T/SGP/COM.13
COMMUNIQUE DE PRESSE
Le Président RAJOELINA et sa famille en pèlerinage en Israël
Le Président de la Transition, SEM Andry Nirina RAJOELINA, et sa famille se sont envolés pour Israël, ce Lundi 31 Décembre 2012 dans la soirée, afin d’y effectuer un pèlerinage.
L’occasion leur sera offerte, notamment, de se recueillir sur la tombe de David.
Par ailleurs, le Chef de l’Etat aura également, durant ce séjour en Terre Sainte, des entretiens avec les principaux hauts dirigeants de l’Etat Hébreux.
Les détails de ce périple présidentiel feront l’objet d’ultérieurs Communiqués de presse.
Antananarivo, le 01er Janvier 2013

Le Chargé de la Communication
auprès de la Présidence de la Transition

Mivonona hiatrik’ady amin’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena « Goliata » ve izany i FAT “Davida” ka maka hery any amin’ny tany masina?
Tsotra ny hevitra tiana ampita: tsy hisy fifidianana izany eto Madagasikara amin’ity taona ity fa hanao izay hanakorontanana izany ireo mpanao kitapo latsaka politika. Izay hanitarana hatrany ny tetezamita izao no tanjony ka itadiavana sarin-olana mba hihemoran’izany fifidianana izany.

Omanina amin’ny inona ny sain’ny vahoaka: hitarika korontana sy fanimban-javatra indray ve izany i FAT? (Ampiasaiko eto foana io anarana noraisin’ingahy Andry Rajoelina fony izy mbola mpitarika korontana ny taona 2009 io satria dia izay ihany no mbola mendrika azy hatreto). Sa hanambara tsotra fa tsy hiala eo ary dia hanamafy ny fahefany amin’ny pilotra na amin’ny fahagagana?

Asakasak’izay mbola azo rebirebeny amin’ny fitiavan-tenany ka ny RARINY ho azy ireny no andeha hiantsoany vahoaka indray. Fa raha hisy tokoa ny firotsahana an-dalambe na iza mitarika na iza dia tsy ho isan’ny hanaraka aho. Amin’izao savorovoro eo anivon’ny foloalindahy sy ny mpitadro ny filaminana vokatry ny fanomezana galona tsy andRARINY izao ve dia tsy hampiasa ny basiny ireo manana alahelo. Matimaty foana eo aho! Sady ny basy rahateo toa efa miparitaka be ihany ka tsy hay intsony na ny dahalo no nitifitra na ny mpitandro filaminana no nanao vono moka na ny vahoaka tezitra noho ny tsy RARINY mahazo azy ireo ny manao valifaty.
Amin’ireo alahelon’ny mpampianatra sy mpianatra notinapaka karama sy vatsimpianarana satria mba mitaky ny RARINY koa dia tsy hisy torabato toy ny nataon’ny Davida any. Vaky loha amin’ny tsy misy dikany eo! Raha ny fitakian’ireo mpitsabo sy ny mpanampy azy saingy rahom-bava no setriny dia ahiana ho rà mandriaka no ho entiny anehoana ny tsy RARINY nahazo azy ireo. Maty tsy nialana nenina fotsiny any aho raha hanaraka fitokonana. Koa raha hisy ihany izany dia ato an-trano aho tadiavina fa mihaino ny fipoapoakany amin’izay.

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s