Malagasy: Mpangery an-kalamanjana

518 000T no tay miparitaka eny ankalamanjana isan-taona eto Madagasikara. Io no tatitra nomen’ny Unicef tamin’ny andro fanamarihana ny andro iraisampirenena ho an’ny fampiasana lavapiringa ny 19 novambra teo. Ny 1/3 ny malagasy dia mangery eny ankalamajana ary 18% ny olona ihany no afaka manangana fotodrafitrasa mifanentana amin’ny fahasalamana.

Fantatra nefa fa anisan’ny antony voalohany miteraka ny aretina mahafaty ny fiparitahan’ny tay sy ny amany. Eto Madagasikara, zaza maherin’ny 7 000 isan-taona no maty noho ny aretim-pivalanana raha 2 tapitrisa izany maneran-tany. Ny tatitra nataon’ny WaterAid no namaritra fa mbola lavitra ezaka ny fampiasana lavapiringa aty Afrika. Mila manokana ny 3.5% ny arikarena anatiny ireo firenena afrikana raha te hanana fotodrafitrasa manara-penitra. Raha te hahatratra izay voalaza ao amin’ny tanjon’ny taonarivo fahatelo nefa dia tsy ny fananganana lavapiringa ihany no ezahina fa mifandray amin’izany koa ny fampidirana rano madio sy ny fampizarana hanaja fahadiovana.

Teny Itaosy no natao ny fanamarihana ity andro iraisampirenena ity raha ho an’ny firenena malagasy. Nentanina nandritra io fotoana io ny olona mba hampiasa ireny toeram-pidiovana iombonana ireny raha toa ka tsy mbola manana ny fahefana hanangana ny azy manokana isan-tokatrano. Ny fananganana izay efa ezahina koa ny hanamorana azy amin’ny fanapariahana ny Dalle Sanplat ohatra.

One thought on “Malagasy: Mpangery an-kalamanjana

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s