Tsy tonga i Bemainty. Fa naninona?

Raha voalaza fa ho avy omaly teto Madagasikara ireo iraka manokan’ny Sadc hotarihin’ingahy Simao dia tsy tonga indray tamin’ny ora farany. Tsy voalaza kosa nefa ny antony nahatonga izao fihemorana izao fa ny hany fanampim-baovao dia hoe ahemotra amin’ny manaraka ity fitsidihana saika hatao nanomboka omaly ka hatramin’ny 13 octobra ity. Efa maro koa moa ireo mpanao politika sy mpanara-baovao no nilaza fa tsy dia hita loatra ny antony ahatongavan’izy ireo teto. Raha ny tombana ny fandehan’ny tondrozotra no anron-diany dia azo valiana tsotra izy fa dia ny omaly tsy niova ihany ny eto. Na dia nisy aza manko ny fanendrena ireo mety ho mpikambana ao amin’ny FFM dia mbola miandry ny fandinihan’ny Governemanta ny hijoroan’izany andrimpanjakan’ny tetezamita izany. Ny hany hita firosoana azo tsapaina aloha dia ny fanaovan’ny fanjakana malagasy sy ny Ceni-t ny fanisana ny mpifidy. Ny fanjakana malagasy satria dia toa nihemotra koa ireo mpamatsy volan’ny fanatanterahana ny fifidianana kasaina hatao amin’ny volana May 2013.

Ny tsikaritra koa dia toa tena efa vonona amin’ny fifidianana ireo ao amin’ny Fat ka efa manofompofona fampielezan-kevitra avokoa ireo fitsidiham-paritra sy kabary atao. Ny volan’Ambatovy sy ny mety ho vidin’ny Air Force One II koa toa tonga amin’ny fotoana ilana azy.

Manaitra ihany koa ny nahitana an’dramatoa Annick Rajaona, talen’ny fifandraisana iraisam-pirenena ao amin’ny Fat, nihazo an’i Afrika Atsimo tampoka omaly. Na inona manko ho lazaina dia efa samy mahatsapa ny rehetra fa misy tsy hitondra mankaiza intsony ny mety hanohizan’ny Sadc ny fanelanelanan eto Madagasikara. Sady raha ny zavamisy eran-tany no arahina dia efa manomboka mankaleo izao tontolo izao ny olana sy tetezamita lava loatra eto Madagasikara. Mahamenatra ny Sadc ny mbola tsy fivahan’ny olana ihany. Efa mitady hanipy andraikitra any amin’ireo rafitra ambonimbony kokoa izy ireo. Maro rahateo koa ireo firenena vahiny sy vondrona efa miandry fotsiny izay fialan’ny Sadc izay. Misy rahateo izay manery ny hampidirana ny heviny amin’ny tsy afahan’ny olona rehetra izay nandray anjara amin’ny tetezamita tsy hilatsakaho fidina. Ny fifanarahan’ny Coronou rahateo mandrara izany hoy izy ireo.

Ireo zavatra niseho rehetra ireo no ilazana fa misy lalana hafa sy tetikady konokononina any ambadika any.

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s