TONGASOA ETY AMBOHIPO


95 minitra no ilaiko amin’ny maraina raha miala ao an-trano avy ety Ambohipo ka ho eny amin’ny Lapan’ny Fitsarana Anosy aho. Ny 20 minitra amin’io dia lany eo amin’ny fiandrasana ny fiara mpitatitra. Ny ambiny dia lany eny amin’ny fitohanana.
Misy kaoperativa 4 no manao ny fitanterana ny mponina ety ka ny 2 amin’ireo dia mankeny anosy avokoa, ary ny 2 dia mandalo an’Ambohijatovo ka mila mifindra fiara hafa avy eo. Ny kaoperativa 3 dia manana fiara am-polony avy ary ny iray kosa dia efa mananika ny 50 ny fiara ao aminy. Mponina miisa 21.610 no sahanin’izany kaoperativa rehetra izany, ary mpianatra eny amin’ny oniversite Ambohitsaina Antananarivo no ampahatelon’ireo.

Tsy mialon-jafy.
Raha ny tananan’Ambohipo, na ny cité io na ny tanàna tsotra dia ahitana ny foko rehetra eto Madagasikara. Eo ireo efa mponina teny hatrizay. Eo koa ireo vao tonga taty aoriana fa efa nandray ny tanàna ho tena fonenany. Maro ireo mpianatra namonjy ny oniversite taloha no nanorina trano ety satria tsy nahafoy ny fahazarana hatrizay. Eo koa ireo nividy ireny cité ireny mba ho fivantanan’ny taranaka any aoriana any rehefa handia izany sekoly ambony izany ireo. Ankoatry ny Malagasy, dia maro ihany koa ireo vahiny monina ety. Eo aloha ireo avy atsy amin’ny nosy Kaomaoro. Izy ireo dia misy ny mpianatra eny Ambohitsaina fa misy ihany koa ireo mitady ravinahitra eto Madagasikara ka miasa any amin’ny orinasa maro eto andrenivohitra. Manaraka azy ireo koa ny afrikana. Tsy dia hay loatra moa ny manavaka azy ireo isam-piaviana fa da anisan’ny manana ny anjara toerany eo an-tanàna izy ireo. Ary toy ny tanàna rehetra eto Antananarivo dia misy karàna (tsy hay koa ny manavaka ny fiaviany) sy sinoa monina koa ety Ambohipo. Tsy mitsaha-mitombo rahateo izahay ny monina ety. Mahafinaritra tokoa ny mahita ireo rehetra ireo satria dia mampitombo fahalalana ny Malagasy izany. Raha tsy hiresaka afa-tsy ny fiteny fotsiny dia tsy mila mandeha any Toamasina ianao vao mahalala fa “Mbarakaly” no fiteny rehefa miarahaba olona amin’ny fiteny Betsimisaraka . Toy izay ihany koa ny fiarahana monina amin’ireo vahiny. Ireo dia halalana ny fomba any ivelany any. Ry zareo sinoa ohatra dia tsy mitovy amin’ny antsika Malagasy ny taombaovao aminy. Ary rehefa manao fety ry zareo dia tsy maintsy mampiasa tsipoapoaka.
Toy izay ny endriky ny fiarahaminina iainana ety. Mifangaroharo eo avokoa ny samy hafa fiaviana sy hafa firenena. Miharo manaraka izay ihany koa ny kolotsaina sy toetsaina isankarazany. Ao anatin’izay fiharoana izay nefa dia samy mahalala ny mitovitovy aminy ihany ny tsirairay. Mifankahalala eny ihany ny mpiray fihaviana sy ny mitovy fomba. Mifanantona sy mifanohatohana eny ihany ny samy iray tanindrazana. Ary mahay mifanavaka eny ihany ny tsy mitovy kolotsaina. Ilay endrika mahay miharo dia toa misy aloka manakona ihany indraindray.

Hita ùisy fifanavahana ihany ohatra eo amin’ny sehatry ny fitanteram-bahoaka. Lany 20 minitra aho rehefa milahatra satria misy ireo mpisongona laharana. Eto ampijoroana eto aho dia mba mitazatazana ireo “namana” sao dia mba taraikiraiky tany an-trano tany izy dia tsy afaka nahazo laharana aloha ka mila omena toerana aty amin’ny laharana aloha aty. Sao koa dia mba ao aloha ao ireo “Havana” ka mba afaka isisihana eo akaikina eo. Ny ora rahateo moa mandeha ka izay ahazoana fiara mialoha ihany no tanjona ka (tsy) ijerevana tavan-olona eto. Raha misy ireo dia raikitra ny mody fifampiarahabana madinidinika sy ny fifanatsafana ary ny fikakakakana satria ela tsy nifankahita. Dia atao izay hahalava ny resaka. Tantaraina ny fety sy lanonana niarahana tamin’ireo fianankaviana tany ambanivohitra. Hirahiraina ny sangan’asan’ireo mpanakanto vokatry ny faritra vao avy namoaka rakitsary. Dia tonga ihany ny fiara ka dia toy ireny tsy nisongona ireny ny tena fa dia miditra miaraka. Tsotra! Haingana! Sady mahomby. Tsy izaho irery no mpanao izany. Tsy anavahana foko io, tsy anavahana fiaviana ary tsy anavahana na vahiny na tompo-tany.

Ankoatry ny fisongonana dia misy koa ny fijapina. Tsy eo amin’ny fiantsonana farany no maka ny fiara fa any aloha any. Ireo fiara handeha haka olona aty Ambohipo no sakanana . Maromaro ihany izahay no mahay an’io hevitra iray io hany ka dia efa feno avy any Ambatoroka ny antsasaky ny seza. Dia tsy mivoaka ny fiara ireo olona ireo ka olona vitsy sisa no raisina amin’ireo mpilahatra. Raha tokony ho olona 16 araka izany no indray miala eo amin’ilay filaharana dia vitsy lavitra noho izay no lasa. Mazava ho azy fa mandoha 200 Ariary izahay efa tao anaty fiara ambonin’ny 300 Ariary ho alohanay toy ireo vao niditra. Ny mpitatitra dia tsy manisy olana amin’io satria “karama no atao ka rehefa mahaloa ny vola ianao dia tsy misy olana izany!”
Mandany 75 minitra indray aho eny an-dalana. Raha ny halavirandalana alehan’ny fiara mampitohy ireo toerana roa ireo dia 7 km. Ny 2 km amin’io, ilay ampahany avy ety Ambohipo mihazo an’Ambanidia dia lala-tokana ihany no ifamoivoizana. Tsy mbola tafavoaka io ampahan’dalana io dia efa misedra fitohanan’ny fiara. Fiara izay mifanisa amin’ny mponina koa raha ety Ambohipo. Endriky ny fanana harena moa ny fananana fiara. Maro ireo Malagasy mitondra ny fiarany manokana rehafa hamonjy asa. Ary ho an’ireo vahiny dia anisan’ny ifaninanana ny fananana fiara satria izay no antony nialany tany amin’ny tany niaviany; hiary harena. Dia mitandahatra ny fiara mitanjozotra hamonjy ny ampovoan-tanàna. Maro ireo fiara ireo no mandalo eo amin’ny fiantsonan’ny fiarampitateram-bahoaka ilaharanay. Ny mahagaga nefa dia tsy mandray olona eo izy na dia ireo “namany” sy ireo “havany” ary. Matetika nefa dia mbola manana toerana malalaka izy. Samy manao izay hahatongavany any amin’ny tany aleha io na dia iray ihany aza ny lalana izorana. Ka raha mba tokony hihena 1 na roa ary ilay laharana lava teo satria mba niaraka amin’ireo fiaran’olotsotra ny sasany dia tsy nihena izany. Ny mpilahatra fiara tsy mihena fa ny fiara milahatra eny an-dalana mitombo.

Dia toy izay ny tena ao ambadik’ilay endrim-parahamoninay. Hita ao ny kiantranoantrano. Nosimbain’ny kolikoly madinika ilay tançna iarahana. Sembanan’ny fitiavan-tena sy tsy fahaizana mitsinjo ny hafa ilay fiarahana nientana namonjy sekoly ambony an-tany lavitra. Ffanavakavahana no lova avela ho ireo taranaka. Rakofan’ny harena ilay fihavanana.
Mifampitaiza<a
Rehefa ilay eo ampilaharana iny ka nahatsikaritra aho fa nisy nisongona dia mba te hiteny. Raha mahita ireo mpijapy aho dia mba tezitra indraindray ka te hitraotra. Nefa hoy aho hoe “inona moa no tokony hahatezitra ahy satria efa ifanaovana io”. Efa lasa fomba fanao ety amin’ny fiarahamoninay ny tsy mifampitsinjo. Efa mahazatra ny tsy miraharaha ny hafa ary efa zary tsy mahataitra intsony ny mahita ny zavatra tsy mety ataon’ny hafa. Fa lalindalina kokoa noho izay dia misy fatahorana ao. Tahotry ny ho lazaina fa miseo ho hendry ka mananatra ny hafa. Ary indrinda tahotra ny handratra ny hafa fiaviana amiko ka hiteraka savorovoro .
Ity farany ity ny tena manahirana ahy rehefa voasongona aho. Manahirana satria zava-misy nefa tsy misy mpiresaka ny tsy fifankazahoana eo amin’ny samy Malagasy samy hafa foko. Raha hilaza aho, izaho izay Vakinankaratra, fa tsy mety izao misongona izao dia ho tezitra ilay rangahy Antakarana namonjy ny namany ao amin’ny filaharana aloha ao. Ho tezitra izy satria tsy anjarako no miteny izany satria tsy izaho irery ny voasongona teo fa misy hafa koa. Ireo hafa ireo izay mitovy amiko koa ny tahotra ao aminy satria samy hafa foko avokoa izahay milahatra eo. Dia toy izay ihany koa ny manjo rehefa misy ireo vahiny misongona. Matahotra ny hiteny satria matahotra ny ho lazaina fa tsy tia vahiny. Ny Malagasy manko hono malaza fa mahay miray hina ary tena mpandala ny fihavanana. Ary tsy latsa–danja amin’izay dia tena soatoavina amin’ny fiarahamonina malagasy izany mahay mandray vahiny izany. Dia ny mangina sy minonomonona fotsiny eo am-pijoroana eo no azo atao.
Hangina satria tsy izaho izay vao zaza vao omaly ity no andeha handrava izany foto-pisainana efa nolovaina hatrizay izany. Tsy izao izay tsy manana na fiara iray fa mbola milahatra fiara mpitati-bahoaka no andeha hananatra ireo izay efa manana ny maha izy azy eo amin’ny tanàna. Nefa aho dia mahalala, ary ireto olona rehetra miara milahatra amiko eto ireto fa ny vahiny mody miady fa ny Malagasy mody mihavana. Ho ahy tokoa ny atao hoe “Havana”, ary tsapako izany rehefa milahatra eto aho, dia ireo izay mitovitovy amiko ihany. Ireo izay avy any amin’ny Tanàna niaviako fa ireo hafa rehetra ireo dia mpiavy avokoa. Ary izy ireo koa dia mahatsapa izany maha mpiavy azy izany. Porofon’izany ny fifampitsinjovan’ireo samy “mpihavana” aty an-tany lavitra aty.
Fady, ary tena toe-tsaina mamoehitra eo amin’ny fiarahamonina nefa izany rehetra eritreretiko izany. Sady fady no voararan’ny lalàna rahateo ka tsy azo lazaina sy aseho vahoaka. Tsy azo lazaina fa azo ampiharina eny amin’ny fiainana andavanandro eny. Mamoehitra sy tsy azo aseo vahoaka fa aleo ny voka-dratsiny ihany ny ho hita eny. Ny voka-dratsiny izay toa tsy tena tsapa nefa manimba ny tsirairay sy ny firenena. Eo aloha ny fahatarana rehefa hamonjy birao. Tsy ho azo hovidiana mihintsy manko ny fotona fa rehefa lasa ny minitra iray dia lasa, Tsy azo iverenana intsony. Ary tsy ho azo vidiana ihany koa ny mety ho vokatra very ho azo tamin’io fotoana lasa io: 95 minitra lany amin’ny fitanterana. Na farafakeliny ny 20 minitra lany teo ampilaharana. Fotoana izay mety azo nahazoana nanao zavatra iray mamokatra kokoa toy ny fahafahan’ity renim-pianakaviana miara milahatra amiko ity hikarakarana ny zanany…
Nefa sao ary dia izaho irery ihany no mihevitra fa ilaina ny manaja fotoana fa ny olona tsy misy mihevitra izany. Efa fomba Malagasy rahateo koa moa ity manao fotoan-gasy ity ka na tara kely ary tsy maninona fa miandry ao izay mifanao fotoana amiko fa efa fantany izany. Nefa koa matoa ireo mpisongona sy mpijapy no maro dia samy mahalala ihany koa izany fa tsy tsara ny mandiso fotoana ka mila haingana. Dia haingana tokoa eo amin’ny tsy firaharahina ny hafa. Haingana eo amin’ny fitadiavana hevitra mba hazahoana tombony kely eo amin’ny laharana. Haingana mamoaka ilay 200 Ariary omena ny fiara mba hazahoana toerana mialoha.

Ireo rehetra ireo no manakana anay ety Ambohipo tsy hifampitaiza. Tsy afaka satria sarotra loatra sady manahirana izany. Sady raha hifampitaiza ary izahay, iza no ho mpitaiza dia iza ny ho taizana? Ireo raiamandreny natao ho mpitaiza indeto miady laharana amiko ireto. Ireo avaram-pianarana eny amin’ny oniversite toa indreto koa fa misiska tsy mahalala izay ataony. Ireo tsongon-olom-bolo, vato nasondrotry ny tany toa mitazana anay fotsiny avy any anatin’ilay fiarany.
Mifanaja.
Eto ampiandrasana ny fiara mpitatitra eto aho dia mandinika hoe inona ary no azo atao mba hametrahana filaminana eo amin’ny fiarahanay monina ety. Rehefa nandinika lalina aho dia tsy misy hafa ankoatry ny Fanajana ihany.
Fanajana ny hafa, io no voalohany. Raha manana fanajana ny olona hafa manodidina ahy aho dia tsy andalo ato an-tsaiko akory ny eritreritra hisongona sy hijapy ny fiara. Hajaiko izy ireo satria olona mitovy amiko. Mitovy izahay satria samy mponina ety Ambohipo aloha. Fa hajaiko koa izy ireo satria mpiara monina aiko eto Madagasikara na dia tsy teratany eto ary. Hajaiko tanteraka izy amin’ny maha olombelona azy rahateo.
Fanajana ny lalàna. Ny lalàna izay namaritra fa eto amin’ity toerana ilaharanay ity no faran’ny zotra mankaty Ambohipo. Noho izany eto no maka ny fiara. Ary tokony hiala eto avokoa ny mpandeha avy any ampovoan-tanàna any fa tsy fiara efa feno tapany no hofenoina eto. Io lalàna io koa izay mamaritra fa tsy azo atao ny manao kolikoly hahazoana tombony mihoatra amin’ny azon’ny hafa. Ilay vola nomeko ilay mpamily mpanampy mba tsy amahany ahy rehefa mijapy aho dia efa azo lazaina fa kolikoly.
Ireo fanajana ireo dia mifampiankina sy mifameno. Raha ireo fotsiny no voatandriko dia ho voahaja ho azy ny fotoana. Ny fanajana izay efa soatoavina ananako, ary mino aho fa anana’ireo olona rehetra voatanisako ireo.. Raha samy manana toe-tsaina hifanaja sy hanaja izahay dia milamina ity filaharana ity. Ary raha samy manaiky sy mankato ny lalàna izahay rehetra avy aty Ambohipo dia hirindra ny fiarahamoninay. Ary tokony samy manaiky fa izany firindrana izany no afahanay mahomby eo amin’ny asa ho ataonay any ampovoan-tanàna any ka iaretanay izay filaharana 20 minitra sy izao fitohanan’ny fiara mandritry ny 75 minitra izao.

Advertisements

3 thoughts on “TONGASOA ETY AMBOHIPO

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s