225 taona i Etazonia

Feno 225 taona anio 17 septambra ny lalam-panorenana Amerikanina. Ny taona 1787 no vita izany lalana izany ka nitsanganan’ny fanjakana maromaro mionbona sy fehezin’ny lalana iray. Io lalam-panorenana io aloha hatreto no naharitra indridra eran-tany. Ary na dia nandalo fanavaozana sy fanitsiana (amendements) maro aza izany dia tsy mbola niova ny fototra nijoroany. Fototra izay itarafana ny foto-kevitra ijoroan’ny fiarahamonina amerikana dia ny FAHAFAHANA.

Mifototra amin’ny rafitra miankina amin’ny fahefan’ny filoham-pirenena (Régime présidentiel) ny lalam-panorenana amerikana. Izay no mahatonga ny filoha manana fahefana maro eo an-tanany amin’ny fametrahany ny drafim-pitananana tiany itondrana ny fanjakana. Amin’ny maha fanjakana matanjaka azy dia manana andraikitra lehibe ihany koa nt filohan’ny Etazonia amin’ireo zava-misy eran-tany. Ankoatry ny filoha, izay miandraikitra ny fahefaha mpanatanteraka (toy izay nitsinjaran’i Locke sy I Montesquieu) azy dia eo koa ny Kongresy izay mpanao lalana, ary eo ny Fitsarana izay mitana ny fahefana fitsarana. Samy manana ny maha izy azy avokoa ireo toko telo ireo ary mazava ho azy fa dia malalaka amin’izay andraikitra napetraka aminy.

Fahefana mifehy fahefana

Eafi-panjakana amerikana

Anisan’ny fotokevitra iray mampirindra ny fanjakana amerikana ilay ato hoe “Checks and Balances.” (fanarahamaso sy fifandanjana.) Na dia misy aza manko ny fahafahan’ny fahefana tsirairay dia misy fifampiankinana lehibe izy ireo. Raha manana ny fahefana ny hanendry mpitsara ambony any amin’ny fanjakana iray ohatra ny Filoha dia tsy maintsy mandalo eo amin’ny Kongresy ka mandalo fanadinana izany olona izany vao apetraka amin’ny toerany. Eo amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena koa dia anjaran’ny filoha no manendry masoivoho saingy tsy maintsy mandalo ny fankatoavan’ny kongresy izany. Arahin’ny Kongresy maso koa ny fanaovan’tsonia ireny fifanarahana iraisam-pirenena ireny, ary tsy maintsy dinihin’ny mpitsara raha azo ampiharina. Manam-pahefana ny hanala ny filoha amin’ny toerana araka izany ny Kongresy raha hitan’izy ireo fa tsy mahatanteraka ny andraikiny izy .
Toy izay koa ny fifandanjana mihatra amin’ny fahefan’ny kongresy. Azon’ny Filoha itsivalanana (droit de Veto) ny fanampahakevitra raisin’ny Kongresy. Saingy tsy afaka ny hanara-po amin’izany fahefana izany ny filoha raha toa ka lazain’ny mpitsara fa tsy manaraka ny lalana ny zavatra tiany ho apetraka. Mazava hoa azy fa enjana ny fifandresen-dahatra ao anatin’izany. Izany fifandanjana izany koa dia mihatra amin’ny fahefana mpitsara izay arahin’iretsy roa hafa maso ihany koa ny fanantanterahany ny andraikiny. Tsy eo amin’ireo andrim-panjakana ireo ihany no misy ny fifandanjana fa eo amin’nu fahehan’ny fanjakana foibe sy ny fanjakana federaly tsirairay koa dia mihatra hatrany ilay foto-kevitra Checks end Balances.
Tsy mahagaga araka izany raha matanjaka sy mirindra hatrany ity fanjakana ity satria dia tsy maintsy misy hatrany ny teny ierana na dia samy manana ny fahalalahany aza ny tsirairay. Fanjakana izay manome fahalalahana ihany koa ho an’ny mponina sy ny miara ombon’antoka aminy. Iarahana mahalala ny fisian’ny fahafahana mivondrona (liberté d’association) sy ny tanjaky ny atao hoe lobbing any Etazonia. Ireny vondrona ireny izay manana ny anjara toerany ao amin’ny fampandehanana ny asa sy ny toekarena. Izy ireo ohatra no manakana ny fanjakana amerikana tsy hanao sonia ny fofanarahan’ny Kyoto satria tsy mety amin’ny fihariankareny. Tsy manelingelina ny rafitra Demokratika nefa ny fisian’ireo vondrona mpanentana ireo. Fatatra koa ny fahalalahana sy ny tanjaka ananan’ny asa fanaovan-gazety sy ny serasera. Anisan’ny mampiaina ny fiarahamonina io ary tena malalaka . Toy izay nisy tamin’ny raharaha Watergate sy izay vao nitranga vao haingana amin’ilay horonan-tsary “l’Innoscence des Musilmans”. Malalaka koa io fiarahamonina io ny manome ny heviny amin’izay fitatanana ny fanjakana. Ary matanjaka izany ka manery ny mpitondra hanitsy ny diany. Ohatra amin’ireny ny naneren’ny mponina ny hamaranana ny ady tany Viet Nam ka nahatonga ny fanjakana nandray andraikitra.

Nahay nitsinjo araka izany ireo olom-be Ray Mpanorina nanangana ny lalam-panorenana tamin’ny taona 1787. Lalana izay lazaina hatrany fa mifanentana amin’ny fomba fisainana sy ny rafim-piarahamonina amerikana. Ka na dia maro aza ireo izay niezaka ny haka ohatra aminy dia sarotra satria tsy mitovy ny olona mampihatra azy. Ary na dia ezahin’ny amerikana ho aparitaka eran-tany aza izany foto-kevitra izany dia mbola sarotra ihany satria eo ilay elanelan’ny rafitra.

Advertisements

5 thoughts on “225 taona i Etazonia

  1. Tokony handinika isika malagasy(indrindra fa ny mpanao politika) hoe fa maninona ny an-dry zareo amerikana no maharitra ela tahank’izany ny lalam-panorenana, ary maninona ny antsika no matetika miova(ovaina) tao anatin’izay 50 taona nazahoana “fahaleovan-tena” izay

    1. ny lalana dia manaraka ny fomba sy fanao ao amin’ny fiarahamonina iray (usages et mentalités). raha mbola maka tahaka ny vazaha, izay tsy mitovy fomba fisainana amitsika ny fanaovana lalana eto dia tsy ho ttafavoaka. Ohatra, ny famelan-keloka: fomba fisainana malagasy izany saingy noho ny gitiavana te ho vazaka dia lazaina fa tsy mety.

  2. Pingback: mandimby maharo

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s