Soratra ve hahavelona?

Ny 03 May teo no notanterahina tany Toliary ny fankalazana nasionaly ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny fahafahan’ny fanaovan-gazety. Tetsy amin’ny Ivon-gazety Antsakaviro kosa no nifampitaona nankalaza izany ireo mpanao gazety avy eto andrenivohitra sy ny manodidina. Ity ivotoerana ity izay natsangana mba entina hanampiana ny asa fanaovan-gazety sy fampitam-baovao hahamatihanina azy. Fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana amerikana, ny frantsay, ny programan’ny firenena mikambana ho amin’ny fampandosoana(Pnud), ny Banky iraisam-pirenena ary ny Wwf izay mampiatrano ity ivongazety ity moa no nenti-nanana izany toerana izany. Ahitana tranomboky, toerana fivoriana sy fanaovana fihaonana amin’ny mpanao gazety ao. eo ihany koa ny toerana afahana manao fikarohana amin’ny tranokala, izay anisan’ny toerana manana ny lanjany ho an’ity ivo ity satria dia izay no tanjony: mba hisy ny asa gazety mifandray amin’ny tranokala (connected-press).

 

Raha ny tranom-boky aloha no jerena dia maro ireo izay mikasika ny lalàna, ny toekarena izay vatsian-ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Firenena Mikambana fa mibahan-toerana ao ny boky momba ny tontolo iainana. Angamba noho izy ity mijoro ao amin’ny foiben’ny Wwf no antony naha bebe kokoa ireo boky ireo. Iaraha-mahalala koa nefa ny filofosan’ny fanjakana amerikana amin’ny fametrahany ilay foto-kevitra fiarovana ny tontola iainana eto Madagasikara. Eo indrindra noo nahatonga ny fametraham-panotaniana hoe ivongazety ho an’ny mpanao gazety malalaka ve izy ity sa ivon-gazety entina hisarihana ny mpanao gazety hanaraka ny foto-kevitra tiana haroso? Tsy ny fiarovana ny tontolo iainana akory ny ratsy sanatria saingy ilay fomba fampiasana ny asa fanaovan-gazety ho amin’ny hevitry ny firenena iray ny mahalasa fisainana.

 

Io no tena ahitana fa mbola mahantra sy marefo ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara satria dia ny fitaovana entimampita vaovao no tsy ampy, ary fatatry ny firenena mandroso izany ka dia nomeny ho solon’ny fanomezan-danja ny heviny. Ny fanambarana navoakan’ny masoivoho amerikana nefa tamin’io fotoana io dia anisan’ny manakiana ny fanaovana kolikoly sy tsindry amin’ny mpanao gazety, eny na tsy mpanao gazety ary fa ireo olom-pirenena tsotra mampiely ny TRANGA MARINA hitany. Fa nankaiza tokoa moa ilay ministera sy ilay fanjakana midradradradra fa misy ny fahafan’ny fanaovan-gazety no tsy afaka mba nanome ivon-toerana toy izao ka afahan’ity asa ity nivelatra fa tsy ho tambatambazin’ny vahiny amin’ny fitaovana sy ny mofomamy ary ny tombo kely isan-karazany intsony ireo mpanao gazety ireo. Raha ilay fanambarana nozaraina tamin’io fotoana io tokoa mako no jerena dia tena marina fa «  maro amin’ireo mpanao gazety no iharan’ny kolikoly ; – avy amin’ny ratsamangaikan’ny governemanta eto an-toerana » -fa mety avy amin’ireo vondrona iraisam-pirenena na firenena vahiny koa- «  msy ireo mpanao gazety tratran’ny fampitahorana, iharan’ny herisetra, migadra na nanjavona ary misy ireo izay manivana (autocensure) ny asany. Tsy mireska intsony ireo zava mitranga sasany izy ireo. Tsy omeny lanja firy ny fiantraikan’ireny tranga ireny. Misy esoriny ny antsimpirihim’baovao. » maro tokoa ireo mpanao gazety tratran’ny tery avy amin’ny mpitondra fanjakana sy ireo tompon’andraikim-panjakana, saingy maro koa ireo mihorohoro noho ny ataon’ireo avy amin’ny manan-karena, na tera-tany io na vahiny. Eo ireo ampitahorina amin’ny fanapahana karama na fandroahana avy amin’ny tompon’orinasa fanaovan-gazety

 

Marary ny asa fanaovan-gazety Malagasy. izay no azo ilazana azy. Eny na dia ireo avy ao amin’io ivo toerana io aza dia miaiky fa tsy dia ampy fahalalana loatra ny mpanao gazety, ary mety izay no maha mora rebirebena azy, ka mila tohanana. Tsy ampy koa nefa ny fahalalahany ara-pitaovana sy ara-bola ka tsy afahany manatontosa ny asany entina mampandroso ny fiaraha-monina, lohahevitra nentina nankalazana ny andro iraizam-pirenena ho an’ny fahafahan’ny asa-gazety tamin’ny ity taona2012 ity.Ny mba irina kosa nefa dia ny fanohanana dia mba tsy ho atao takalo-patsa vidim(pihinanana, na araka ilay ohabolana rosiana izay hoe: “ Izay nandoa ny volan’ny mpitsoka mozika no mifidy ny hira lalaovina” satria raha ity aa ity no resahina dia fitiavana no manosika ny maro hanao azy. Fitiavana ny milaza ny marina, fitiavana ny mizara. Nefa na izany aza toy ny asa rehetra izy, atao mba entina mameloman-tena sy mamelomana ny mpiara monina.

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s