Mazotoa miasa!

Hosavain’ny mpiandro filaminana koa manomboka izao na ny fiaran’ireo manam-pahefana aza, hoy ny Jeneraly Ravalomanana raha namory mpanao gazety izy ny Alatsinainy 23 Aprily. Fomba fiasa manokana hiarovana sy handrindrana ny filaminam-bahoaka io, satria mba tsy hisian’ny kaofy raoka sy anavahana ny vary amin’ny tsiparifary. Maro tokoa manko amin’ireny fiaram-panjakana mpitondra manam-pahefana ireny no ampiasaina amin’ny zavatra tsy tokony ilana azy. Efa hita eto manko ireny fiara misy saina ireny no entin’ny zanak’ireo manampahefana ireo, na ireo olna akaiky azy ireo mamonjy alim-pandihizana na anaovana “pointe” eto andrenivohitra, ankatry ny fitondrana azy any amin’ny faritany anaovana fialan-tsasatra. Eo koa ireny fiara misy jiro manga ampiasain’ny mpangalatra na entin’ireo mpitandro filaminana anaovana raharaha hafa.

Image

Ity fepetra ity koa nefa dia azo lazaina fa famerenana ny efa natao hatrizay ihany saingy niniana nodikaina tao anatin’ity fitondrana Tetezamita ity. Tsiahivina eto ny fepetra noraisin’ny ministeran’ny fitanterana ny tamin’ny taona 2007 nandrara ny fampiaasaina ny fitaratra mainty amin’ny fiara rehetra nanomboka ny 16 marsa 2007. izany lalàna izany dia mbola tsy foana hatreto. Io dia afahana mamantatra ny entana sy ny olona ao anatin’ny fiara rehefa mandalo ny mpitandro filaminana izy ireny.

Ny tiana ho lazaina dia ny fahitana ity manamboninahitra Jeneraly ity manao fihetsiketsehana amin’ny fampiharana ny lalàna efa misy. ampiharina ny lalàna, izay no ilain’ny olona, fa tsy ny kabary be sy fisehoana isaky ny mba misy asa kely mba ho atao.

Advertisements

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s