Nahomby ve ny tolona?

65 taona ny tolom-panafahana niadiana tamin’ny mpanjana-tany, tamin’ny taona 1947. Anisan’ireo kihon-dalana lehibe ho amin’ny fahaleovantena ny famonoana ireo mpitolona, tao mramanga sy toerana maro  ny 29 mastsa 1947 ka tsaroana isan’taona izany amin’izao fotoana iainana ny fahaleoavantena izao. Ny tamin’ity taona 2012 ity dia tsarovana manokana ireo nitolona tany Manakara, ka tany  no nanamariahana ny fankalazana tamin’ny fomba ofisialy. Nilaozana aloha Ambohijatovo sy ny tsangam-batony fa nomena hasiny manokana ireo mahery fo nanao sorona ny ainy tany Manakara izay anisan’ireo toerana niadiana mafy ihany koa, ka mendrika izany fanomezam-boninahitra izany.

 

Ny filoha avon’ny tetezamita moa no nitarika izany lanonana notanterahana tany amin’ny faritra Vatovavy fito Vinany izany, amin’ny maha filoham-panjakana azy. Ny teto Andrenivohitra koa dia samy nanamarika izany ireo olom’baveny maro ao amin’ny fitondrana sy ireo mpanao politika isan-karasany. Novelabelarin’ireo nandray fitenenena nandritra ny lahanteniny ny teny fanentanana hoe “ ambom-po ny fitiavan-tanindrazana.”, izay nahavariana ny maro fa dia samy nanana ny fanazavany azy.  Samy manana ny fitiavan-tanindrazany tokoa io. Dia gaga ny mpandinika hoe sao dia mila fohazina ary aloha ireo maty tamin’ny 1947 hanazava ny tena anton’iny tolona iny ka ametrahan’izy ireo ny rena dikan’ny hoe fitiavan-tanindrazana nampihetsika ny ambopony. Misy ihany koa ireo akanga sisa nanamborana, sao dia tokony homena fitenenana tsy ankiteritery sy am-panambazana izy ireo hitondra ny heviny. Satria raha ireo mpitondra sy milaza ho mpanao politika ankehitriny ireo aloha no antenaina dia toy ny  boloky fotsiny fa tsy miteny amin’ny fo sy saina fa toa teren-javatra ihany. Ao ireo teren’ny toerana nomena ka zara fa nijoro sy indro fa nibadabada. Ao ireo izay terem-boninahitra ka zara aza misy isehoana, dia indro manata-bava amin’ny zavatra tsy hay ka zary natao saron’tava ny voninkazo goavam-be napetraka teo amin’ireny tsangambato sy toeram-pahatsiarovana ireny.

Raha ny toedraharaha ankehitriny tokoa manko no dinihina dia toa ny tantara no miverina fa ny fisehony np tsy mitovy. Nisy ny fanerena nataon’ireo voanjo tamin’ny toekarena mba hanarenany ny fatiantoka noho ny ady nataony. Ny vahoaka madinika sy ireo tantsaha no nifafa ny kihony tamin’izany. Tao ireo mpisolelaka nahay nilomano ka nahazo tombotsoa tamin’ny mpanjanaka ka nanao izay afany hanerena ny mpiray tanindazana. Nampiasainy tamin’izany ireo hery famoretana maro isan-karazany, na miaramila io na milisy.  Teo koa ireo nanam-pahaizana niezaka niditra rany anaty rafi-panjakana mba hanery ny Frantsay hankatoa ny fahaleovan-tenan’ny Nosy, araka izay fanekena sy fianianana nataon’izy ireo nialoha ny ady. Endri-javatra izay toa tsy vahiny amin’ny Malagasy ankehitriny.

Azo lazaina fa mbola mijaly sy ory hatrany ny malagasy maro an-isa na dia efa 65 taona nitolomana aza. Mbola hita eny ho eny ihany ireo mpandimby ireo mpanery ireo, ary tsy miova ny paik’ady fa ampiasaina hatrany ny miaramila sy zandary ary polisy. Ary mbola hita tazana eny ireo taranaky ny manam-pahaizana mpandova seza.

Dia mipetraka ary ny fanontaniana hoe ireo mpitolona tamin’ny 1947 ve izany no tsy nahay nanao ny tolona ka mbola mitohy mandraka androany ny rafi-piarahamonina tamin’izany, sa isika ankehitriny no tsy nahay nandova ka namerina indray izay namonoan’izy ireo tena tamin’izany?

Advertisements

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s