Fitsarana ny mpitsara!

Samy miandry ho avoakan’ny andron’ny Alatsinainy 19 Marsa avokoa ny mpanara-baovao politika rehetra,andro voalaza fa hanatontosana ny fitsarana ny Profesora Ranjeva Reymond sy ny zanany vavy etsy amin’ny lapa-mpitsrana Anosy. Ny antony fiampangana moa dia noho izy ireo voarohirohy tamin’ilay raharaha saika hanongam-panjakana nokobonin’ireo miaramila teny amin’ni Bani ka nahitan’ireo mpanao fanadiahadiana fa izy ireo no nanomana izany. Eo ko any famaliana sy fanivaivana mpitandro filaminana nandritra ny fisavana natao tao amin’ny tranony.

Efa betsaka ny resaka momba ity fotom-pitsarana ity ary efa samy efa nilaza ny heviny avokoa ireo voakasika mivantana na ireo manam-pahefana maro isan-ambaratongany. Fotoam-pitsarana izay inoana fa ho eo ambany fifehezan’ny mpitando filaminana noho izy ity anisan’ny raharah naha voarohirohy miaramila ihany koa ankoatra ity mpitsara iraisam-pirenena teo aloha ity. Antony hampafana ity fotoana ity ihany koa dia izay vao nisy Mpitsara nandalo fitsarana teto Madagasikara. Ny Profesora Ranjeva rahateo moa dia anisan’ireo mpaneho hevitra politika momba ny famahana ny olana eto amin’ny firenena ka efa manomboka be mpahalala eto antoerana sy any ivelany.
Noho io firotsahany tamin’ny resaka “politika” io indrindra no nahatonga azy nanana olona maro nanara-dia sy nanohana ny heviny. Nefa araka ny efa hita dia maro koa ireo izay tsy mahazoazo  izany heviny sy ny fomba fitondrany ny resaka izany ka nandray azy ho fahavalo mihintsy aza. demokrasia tokoa moa no iainana ankehitriny, hono, ka mba anisan’ireo naneho hevitra izy, saingy raha ny lalao natao nentina nanoherana izany heviny izany dia tsy dia araka izay fitsipika ara-demokratika loatra. Ny atsojay sy ny ramatahora no re fa nahazo azy taorian’izany fanehoan-kevitra izany.
Be araka izany no milaza fa ho fitsarana politika io amin’ny alatsinainy io fa tsy ho fitsarana tena ho fitadiavana ny marina. Ekena fa NY OLONA REHETRA DIA EO AMBANY LALANA ARY AZO TORIANA SY AZO ENTINA EO AMIN’NY FITSARANA MAHEFA HITSARA AZY.  Amin’ny maha Malagasy azy noho izany dia AZO tsaraina tokoa Ranjeva Reymond satria nisy nitory izy. Nefa noho ireo antony efa voalaza fa hita fa manelingelina olona sasany izy dia mety hitombina fa ho fitsarana ho famotehana azy ara-politika fotsiny ihany ity hiseho ity. Raha ny hoe misy ve fitsarana afaka mitsara azy dia tsy isalasalana fa misy tokoa. Eto mantsy no tena mipetraka ny ady hevitra: mpitsara iraisam-pirenena ve ho tsaraina fitsarana amin’ny firenena iray? Eny, azo atao izany satria olom-pirenena avokoa ny rehetra eo anatrehan’ny fitsarana saingy noho ny andraikitra nananany fotsiny ihany na izay sokajin-keloka itsarana zy fotsiny ihany no anendrena ny sokajim-pitsarana afaka mamoaka ny didy. Raisitsika ohatra ireo miaramila nikobona iny raharaha iny. Isan’ny ohatra akaiky ny an’ny miaramila. Manana ny fitsarana voatokana hitsara azy izy ireo. Eo koa ireo izay olona nanana andraikitra ambony teto amin’ny firenena, ny filoham-pirenena ohatra, dia misy ambaratongam’pahefana mitsara azy amin’izay itoriana azy noho io andraikiny io. Misy ary ve fitsarana afaka mitsara mpitsara iraisam’pirenena noho izy voatohitohy hanogam-panjakana?

 

Ny tena fanotaniana mipetraka angamba dia hoe misy mpitsara afaka sy hahay hitsara azy ve? Satria rah any traikefa sy ny fahalalana dia ananan’ilay voapanga ka ho hainy avokoa ny pitsopitsony rehetra ka sarotra ihany ny hisikotra ny valim-panotaniana tiana ho azo. Izay fatahorana iny hiala maina izay indrindra angamba koa no mahatonga ireo izay tsy mahazo am’po ity Profesora ity hanao atsojay aminy mialoha mba hampalemy azy ka hanekany mora foana izay hevitra tiana avoakany.
Iza no hitsara

Ny faniriana araka izany dia ny mba hisian’ny mangarahara tokoa eo amin’ity tantara ity. Ireo mpitsara ihany koa moa efa nanaiky tamin’ireny fihaonamèbe sy ireny fifanekena teo amin’ny SMM sy ny polisy ary ny fanjakana ireny fa tsy hanaiky ho atao fitaovana (…) amin’izay asa ampiandraiketana azy. Dia ho FITSARANA IREO MPITSARA REHETRA  koa izany io fotoana io raha tena HITANA NY TENINY SY HANAO NY ASANY ARA-DALANA IZY IREO. Hotsarain’ny vahoaka malagasy eo izy ireo, ary indrindra ho tsarain’ny tantara.

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s