Famerana ny vidi-tsolika: maty antoka ny firenena.

Mihoatra ny  150 miliara Ariary no vola nivoakan’ny fanjakana mba tsy hampiakarana ny vidin-tsolika ny taona 2011, araka ny tombana nataon’ireo mpahay toakarena. Raha tsiahivina dia nifanaraka ny mpandraharaha eo amin’io sehatra io sy ny fitondrana tetezamita fa ho apetraka ho 2000 Ariary ny tahan’ny vola Daolara eo amin’ny fanafarana solika na hoatrinona na hoatrinona ny sandambolantsika eo amin’ny tsena. Ity sehatra ity izay anisan’ny fepetra napetrak’ireo mpamatsy vola iraisampirenena ny fialan’ny fanjakana taminy nandritra ireny fotoana fanintsiana ara-drafitra ny taona 90 ireny. Ka taorian’ny nivarotana ny orinasam-panjakana Solima dia orinasa lehibe 4 no mandraharaha azy. Voafetra noho izany ny anjara fanampahan’kevitra ananan’ny fanjakana ao. Io fepetra fametrahana taha tsy miova io no hita fa azo natao mba namerana ny fiakaran’ny solika hetrizay. Mazava ho azy fa ny elanelana dia ho zakain’ny fanjakana avokoa. Fepetra maro araka izany no noraisina teo anivon’ny ministeran’ny vola toy ny fampidinana ny hetra maro samy hafa alaina avy amin’io solika io, toy ny hetra natokana ho fikojakojana ny lalana, ny haba alaina eo amin’ny faditseranana …

 

Tsy nahasakana ny tsy fiakaran’ny vidin-tsolika nefa izany nanomboka  ny 28 febroary 2012 ka nahitana fiakarana Ar150 ho an’ny gazoala izay lasa Ar3240, ny lasantsy nahitana fiakarana Ar100 ka lasa Ar2680, ary ny solika fandrehitra lasa Ar2000. Efa ela no efa nangataka fampisondrotana izany vidin-tsokika ireo ny mpandraharaha satria tena nahatsiaro ho maty antoka izy ireo. Efa nandray fepetra ihany izy ireo dia ny fampihenana ny fanafarana sy ny fitadiavana izay mpamatsy afaka nivarotra ny solika amin’ny vidiny mora indrindra. Marihina fa mahatratra hatramin’ny USD260 amin’izao fotoana izay ny vidin‘ny solika iray barika eo amin’ny tsena iraisam’pirenena.  Ireo fepetra ireo nefa dia nitarika olana hafa toy ny tsy fahafahan’izy ireo mamatsy ireny toby madinika any amin’ny faritra ireny. Tao ihany koa ny fihenan’ny hatsaran’ny solika namidy, izay nisy fiatraikany teo amin’ny fiara sy nandoto ny rivotra. Azo lazaina arak’izany fa efa tapi-dalan-kaleha ny roa tonta ka io fisondrotana io sisa vahaolana hita. Niaiky izany moa ny minisitry ny solika, Marcel Bernard, tamin’ny fotoana nanambarana izao fiankarana izao. Raha ny fanazana nentin’ity tompon’andraikim-panjakana ity dia “sarotra ary tsy azo heverina ny fampiakarana 600 Ariary izay takian’ireo mpandraharaha. Tsy maintsy atao izay hifanarahan’ny fampiakarana ny vidin-tsolika amin’ny fahefamividin’ny mpanjifa. Eo ihany koa ny fisorohana ny mety hisian’ny varo-maizina sy ny fitehirizana tsy ara-dalana” tranga matetika mitranga amin’ny fotoana maha vitsy ny mpivarotra.

 

Fampiakarana ny saran-dalana.

Tsy niandry ela ireo mpitatitra, mpanjifa ny solika taorian’io fiankarana io fa nampiantso fivorianben’ireo Fivondronan’ny Kaoperativam-pitanterana Nasionaly handinika ny mety ho fampiakarana ny saran-dalana. Ireo mpitatitra izay efa ela koa no efa nitaraina noho ny fatiantoka , na fahakelezan’ny tombony izay tsy mahasahana ny vola lany amin’io sehatr’asa io. Nihaona tamin’ny Praiminisitra Omer Beriziky moa ireo mpitatitra ireo izay mivondrona ao amin’ny Sendika Ivondronan’ny Malagasy Mpanao Fitaterana mba hidinika io saran’dalana io. Hatreto aloha araka io dinika io dia nangataka ny fanjakana mba tsy hisian’ny fampiakarana, izay neken’ireo mpitatitra, nefa kosa raha misy ny fiakaran’ny vidin-tsolika mihoatra izao dia efa nampilaza izy ireo fa tsy azo iodiviana intsony ny fisondrotry ny saran-dalana.

 

Fanamboarana sy fikojana ny lalana.

Anisan’ny loharanom-bola fakàna hetra ho fikojana lalany ny hetra alaina amin’ny vidin-tsolika. Hatramin’ny namerana ny vidin’izy io nefa dia anisan’ny fepetra noraisina ny hampihena io hetra io ho Ar55 isaky ny litatra, izay niteraka fantiantoka hatramin’ny Ar10 miliara teo amin’ny tahirim-bola  natokana ho an’ny Fer ho an’ny taona 2010. Nihena araka izany ireo asa fikojana ny lalana ary azo nazaina fa tsy nisy mihintsy ny fanamboarana lalana vaovao. Io fanamarihana io izay nitondran’ny lehiben’ny fandinihana ara-toekarena eo anivon’ny Banky iraisampirenena miasa eto Madagasikara, Jacques Morisset, fa anisan’ny mampanahy azy indrindra ho amin’ny mety ho fampandrosoana ny nosy. Satria tokoa hatramin’ny taona 2009 dia tapaka avokoa ireo famantsiam-bola avy any ivelany entina manao fotodrafitrasa. Iaraha-mahita nefa ny fahasimbana eo amin’ireo lalana maro, na an-tanan’dehiba na ireny lalampirenena ireny, izay anisan’ny mitarika fatiantoka ho amin’ny famoahana vokatra sy fivezivezen’ny mponina. Manampy trotraka rahateo ny fahasimbana naterak’ireny loza voajanahary nandalo tato ato ireny.

Sehatra maro noho izany no miankina amin’ity vidi-tsolika ity. Ary ny irina dia ny hisian’y vahaolana maharitra sy mahomby ialana amin’izay mety ho fatiantoka tafahoatra ho an’ny firenena.

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s