2012, ampiasa angovo maitso i Madagasikara.


10% ka hatramin’ny 25% ny ho fiankaran’ny vidin’ny jiro. Io no fanambarana nataon’ny tompon’andraikitra eo aniivon’ny Jirama mba entina manarina sy mampiodinana io orinasam-panjakana io. Iaraha mahalala tokoa ny fahasahiranana’izany orinasa izany nanomboka ny taona 2008. Efa nisy ihany ko any fitadiavana vahaolana tamin’izany fotoana izany ka nametrahana ny fiaraha-miasa tamin’ireny orinasa vahiny ireny. Indrisy nefa fa hatramin’izao fotoana izao dia mbola tsy hita ny tena vahaolana maharitra. Fahatapahan-jiro matetika, tsy fahampian’ny tanjaky ny herinaratra hatrany no misy ankehitriny. Manampy trotraka koa ny fahasimban’ny milina, ny tsy fahampian’ny ranon’orana mampiodina ireo milina mandeha amin’ny alalan’ny riandrano ao Andekaleka. Hatreto tokoa mantsy dia io  ivotoerana io no tena mamatsy ny ampahany maro ny herinaratra, indrindra ny eto andrenivohitr’Antananarivo. Ankoatr’io dia ivotoerana mandeha amin’ny solika sy ireo riandrano madinika no mamatsy ny any amin’ny faritra. Isan’ny olana matetika vahana koa ny resaka ara-bola. Teo ny fiankaran’ny vidin’ny solika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, eo ny trosa ananan’ny Jirama amin’ny fanjakana. Ireo halatra tariby ka nampitombo ny vola mivoaka. Raha ny zavamisy aloha dia azo lazaina fa efa antitra ary tsy manaraka ny fivoarana intsony ny zavamisy amin’ny famatsiana herinaratra eto Madagasikara. Maneran-tany tokoa mantsy, indrindra any amin’ireo firenena mandroso any amin’ny  ila-bolatany avaratra dia efa ela izy ireo no niala tamin’ny fampiasana ny solika ho famokarana herin’aratra. Maro amin’izy ireo no mampiasa ny angovo nokleary na ireo atao hoe angovo azo avaozina, ‘energies renouvelables’. Taorian’ny tranga nisy tany Japana tamin’ny taona 2011 ary moa dia nanomboka nametrahana fanontaniana sy nampisalasala ny fampiasana ny nokleary ho fanovozana herin’aratra ka maro ireo fanjakana, toy ny Frantsa sy Alemana izay tena anisan’ny mampiasa azy io no nanampa-kevitra ny hampitsahatra tsikelikely ny asan’ireny toby ireny. Raha tsy hiresaka ny any Alemana isika dia ivotoerana 8 tanin’ireo 17 nananany dia natsahatra avy hatrany ny asany tamin’ny taona 2011 araka ny lalàna navoakan’ny parlemata any an-toerana. Ary nanao drafitra ny hampitsahatra ireo 9 ambiny alohan’ny taona 2022 izy ireo. Hametraka toby famantsina mandeha amin’ny herin’ny masoandro sy ny herin’ny rivotra izy ireo hasolo izany.

Io hevitra io dia anisan’ny trandrahan’ny manampahaizana sy ireo mpitondra fanjakana maro eran’tany, dia ny handrafetana politikam’panjakana monba ny famatsiana herin’aratra azo avy amin’ny angovo azo avaozina. Isan’ireo manana hevitra ny hanannganana toby mandeha amin’ny herin’ny rivotra isika eto Madagasikara amin’ity taona 2012 ity. Nandritra ny fiarahabana ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina no nanambarany fa ho tanterahina io tetikasa io mba ho fanamaivanana ny asan’ny Jirama. Raha nanome fanazavana fanampiny moa ny minisitry ny vola Hery Rajaonarimampianina momba ny fanatanterahana izany dia nilaza mazava fa tsy voatery ho ny fanjakana no andray andraikitra mivantana amin’ny fanangananan ireo toby ireo fa azon’ny orinasa tsy miankina ny manao izany.

Ireo fepetra ilain’ireo teknolojia ireo

Olana voalohany sedraina amin’ny fananganana ireny toby ireny tokoa ny resaka vola entimanana. Eo ny fotodrafitrasa ilana fitaovana raitra sy lafo. Izay no nahatonga io hevitra ny hiarahana miasa amin’ny mpandraharaha io, satria iarahana mahalala ny tsy fisiam’bola eo amin’ny fanjakana afahana manao izany. Mila mitandrina ihany anefa amin’io fiarahana miasa io. Ny tanjona aloha dia ny hampihena ny vidiny sy ny afahana mampitombo ny herinaratra azo ampiasaina. Ny fitandremana dia ny fahaizana mandrafitra tsara ny fifanarahana amin’ireo orinasa ireo ka mba ho tratra ny tanjona fa tsy sanatria hanao izay danin’ny kibony izy ireo noho ny tsy fahafahan’ny fanjakana mametraka ny fahefany intsony. Zavatra efa iainana izany eo anivon’ny famantsina solika eto Madahgasikara. Eo ny famaritana tsara ny anjara andraikitry ny tsirairay, ny fahefana ananan’ny tsirairay ary indrindra ny anjara vola  ao anatin’izany. Satria na tiana na tsy tiana aloha dia tsy maintsy mbola misy anjara vola entin’ny fanjakana hatrany ao. Eo ohatra ireny andrinjiro sy fotodrafitrasa efa ampiasain’ny Jirama ankehitriny ireny izay azo ampiasaina avy hatrany ka tombanana ny lanjambidiny. Dia izay no anjara vola-panjakana ao amin’ireny orinasa ireny avy eo. Eo ihany koa ny fanombanana ny traikefa sy fahaizana entin’ny tsirairay ao.

Eo amin’izay lafiny ara-bola izay dia misy ihany koa ny findramam-bola amin’ireo mpamatsy iraisam’pirenena. Eto anefa tsy toy izay efa mahazatra hatrizay fa mila malina tsara amin’ny fifanarahana ary indrindra indrindra ny fahaizana mampiasa ilay vola. Mba ho tena fananganana fotodrafitrasa haharitra sy afaka mamerina ny vola nanaovana azy no ilaina. Izany hoe orinasa mahavelon’tena no hatao fa tsy vonjy tavan’andro. mila faritana tsara araka izany ny fe potoana, ny tahan’ny zana-bola famerenana ny vola, ny vinavina ny famerenana ny vola. Eo koa ny fahaizana mikoja sy mampivoatra ilay orinasa mba tsy hilaozan’ny toetr’andro tahaka ny manjo ny Jirama ankehitriny.

Io fahaizana io no fepetra takian’ny teknolojia tahaka itony famantsiana herin’aratra itony. Manana ny fahalalana sy traikefa afahana mamehy izany ve ny firenena?  Sa mbola mila mindrana ireo manam-pahaizana vahiny? Raha efa manana isika, ohatrinona ny lanjan’izay ary dia tombanana ho anisan’ny anjara entin’ny fanjakana ao koa. Ny fitandremana atao raha tsy maintsy mbola hindrana vahiny dia ny fahaizana mamaritra ny fe-potoana afahana mianatra sy mifehy tanteraka ny fahaizana ka afahana hahaleo tena avy eo. Ny fananana toeram-piofanana  sy fikarohana ary olona mianatra no antoka hisian’ny fitohizana sy faharetan’ny teknolojia iray. Ny tanjona araka izany dia ny tsy hiankinana lava amin’ireo vahiny fa ny mba afahana manitatra.

Tsara ireo angovo ireo saingy sarotra tadiavina , tsy araka ny hieverana azy.  Eo aloha ny fakana azy, ilana toerana manokana. Eo koa ny fitehirizana satria ny rivotra sy ny masoandro tsy azonao faritana mazavany hisiany mandava-taona. Ilana fitaovana sy vola ary fahaizana io fitehirizana sy fitsinjarana azy io. Ny toerana fakana azy mantsy mety ho lavitra ny toerana liana azy. Ny fotoana afahana maka azy mety ho tsy fotoana ilana azy ka mila tehirizina.

Tsy dia misy mpiresaka koa ny lafiny fanelingelenana aterany nefa anisan’ny olana. Ny toby mandeha amin’ny rivotra ohatra dia miteraka tabataba noho ny fihodin’ireo elatra maro. Ny mandeha amin’ny herin’ny masoando kosa dia mibahana toerana midadasika sy miteraka fiakarana eo amin’ny maripana noho ireo fitaratra maro eo aminy. Eo ihany koa ny endriny somary manimba ny endriky ny toerana asiana ilay toby.

Efa voalaza teo ihany koa ny fahaizana mamaritra tsara fotoana fidirana amin’izany fampiasana ny angovo azo avaozina izany. Mila fampizarana ny olona amin’ny fahaizana mapiasa ara-drariny ny herin’aratra. Ny tanjona dia ny hahaizana miala amin’ilay fomba mahazatra famokarana herin’aratra miankina amin’ny filana ka mba ho fampiasana araka izay vokarina no atao. Izany hoe ialana ny firobarobana. Ilana fanazavana sy fitaizana maharitra io. Ka mba tsy hisy intsony ilay fahatarana na fandavana ny fandoavana ny vidin’ny jiro lany.

Ny tombotsoa avy aminy.

Eo aloha ny ara-bola. Rahafa voapetraka tsara ny fotodrafitrasa dia tsy ilana vola fanampiny intsony amin’ny fampiodinana azy toy ny fividianana solika ohatra. Ny fikojana sy fanitarana no tena mandany vola ao. Izany dia afahana mampitombo hatramin’ny 50% ny tombombarotra isan’taona ka afahana mamerina ny vola lany teo ampananganana. Mazava ho azy fa hampihena ny vidin’ny jiro any amin’ny mpanjifa ihany koa io.

Eo ny lafiny tontolo iainana. Tsy mandoto ny rivotra iainanaireo angovo ireo, ka azo antoka ny fampihenana ny entona manimba ny osona ôzôna hatramin’ny 50%.  Nefa na izany aza dia miankina amin’ny fiarovana ny tontolo iainana izy. Ny  fikaohan’ny rano ny tany ohatra dia miteraka vovoka matevina hanakona ny fitaratra fakana ny herin’ny masoandro.

Ny fisian’ny sekoly ianarana ireo teknolojia ireo, vokatry ny fisian’ireo orinasa araka izay efa voalaza etsy ambony dia afahana mamelatra ny fikarohana any amin’ireo fitaovana samy hafa sy ny teknolojia hafa toy ny fiara, trano fonenana, toerampiasana ‘maitso’.

Ekena fa sarotra ary tena mila finiavana lehibe ireo rehetra ireo nefa ny tanjona dia ny hananana herinaratra afahana miasa sy mamokatra amin’ny vidiny takatry ny rehetra. Mety tsy ho vita ao anatin’ny fotoana fohy araka ny hevitra toa tsy dia matotra natolotry ny Filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita ireo nefa noho ny zava-misy dia tsy maintsy dinihina dieny izao ny afahana manao izany. Eny, na dia tsy ho ny famantsiana ny nosy iray manontolo aza no ampiasana azy fa ny faritra izay hita fa afahana manao izany. Antoka iray ho amin’ny fananganana asa sy fanpirisihana ny orinasa vahiny hiorina eto mantsy ny fisian’ny herin’aratra mora sy maharitra.

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s