Vahoaka mpamitaka mpitondra !

Vahoaka mpamitaka mpitondra ! Hôsana ! hôsana ! Tsy misy tahaka anao eto ambonin’ny tany ry mpitondra malalanay ô ! Ka tohizo hatrany ny asa ataonao fa tena izao no efa nandrandrainay hatrizay sy mety amin’ity tanintsika ity. Iza tamin’ireo mpandray fitenenana an-danonana moa no tsy nanao an’izany rehefa eo imason’ireo mpitondra ireo ? Toa tena tsy mahita ho kianina fa tsara avokoa ny mpitondra teto. Nefa iza koa no tsy mahalala any am-pony any fa maro ary tena mivandravandra ny tsy mety, na tsy nety nataon’izy ireny. Nefa toa faly ny handoka hatrany satria te ho tsara eo imason’izy ireo ary tsy te ho very fihinanana. Satria tokoa ny vahoaka madinika tsy mba omena fitenenana matetika fa ireo izay misora-tena ho mpisolo tena hatrany no mahazo fitenenenana dia miteny tokoa izy, saingy izay hiarovany ny tombotsoany no lazainy. Ohatra farany raisintsika ny kabary nataon’ireo niharamboina ny 07 febroary 2009 nandritra ny fankalazana ny faha-3 taonan’io diabe nanafihan-dapa io. Fandokafana izao, fampaherezana ny mpitondra izao, ary rariny ny azy satria iza tokoa moa no andeha anome azy 200 000 Ariary isam-bolana eo intsony raha lasa eo io Filoha io. Ireo tompn-andraikitra mpikarakara ihany koa dia tena nahita hevitra tsara mihintsy tamin’ny nanafarana ilay tovovavy toniziana, milaza fa anisan’ireo sisa-paty tamin’ny tolona natao hanalana ny mpitondra tany aminy. Izy moa vahiny ka andao atao hoa tsy teto hatrizay ka tsy azy ny tsiny. Fampaherezana, fanizingizinana fa tena nilain’ny fireneny ary tena ilain’ny firenentsika koa ny tolona izay natao. Tsy hay aloha fa izaho teto ihany fa tsy mbola tany Tonizia ka tsy afaka ny anamarina izay volalaza fa tena nisy fivorana be any amin’izao. Tetsy andaniny koa moa ireo izay nanatrika nitehaka; ny 5 000 Ariarin’olona noraisina angaha avelany raha tsy vita ny asa nanomezana azy. Dia hoy ilay be vazivazy hoe raiso fa vola, sitrany ahay vary 3 kilao (na bebex amin’ny Asabotsy.) Ny tiana ambara dia toa isika vahoaka hatrany no manapoizina ny tenantsika sy ny tanintsika. Tsy mba mahay miteny mpitondra fa faly midoka sy manome vahana amin’izay tiany atao. Dia hiandry fifidianana hatrany ve isika vao hilaza ny hevitsika. Hataramin’ny repoblika voalohany io ka hatsizao dia ny tantara hatrany no miverina. Misy mpitondra laniana na apetraka eo, dia dokafana sy tsy mba sahy tenenina dia avy eo aongana. Aleo dieny mbola afaka ahintsy dia tenenina na dia hoy aza izy hoe “misy mihaino?” Farafaharatsiny efa afaka adidy ianao. Mahasahy miteny izahay satria lalana efa nalehanay io alehanareo io. Ny tany iraisana ka tsy ny animba azy noho ny mpitondra mihevitena tsy misy ho kianina sy tsy reesi-mandidy no katsahina fa izay mba ioharany lavitra an’ny Tonizia.

Advertisements

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s