“Satria moa ity didim-panjakana ity izao vao tonga eto ka tsy vita no mamadika azy amin’ny teny malagasy, na dia efa nahazoana fanankianana aza izany” hoy ilay rangahy hamaky ilay didy navoakan’ny filoha Rajaonarimampianina hamelana heloka ireo migadra nahazohazo taona, omaly teny Iavoloha omaly 26 jona 2014.Tsy menatra, tsy mahalala fomba, ary andeha ho lazaina hoe kamo sy bado ireo tandapa ka tsy mahavita manoratra, na mandika teny frantsay ho teny malagasy. Fa angaha moa izy iny tsy azo natao tamin’ny teny malagasy ny nanoratana azy? Sa niteny frantsay ilay olona tamin’ny nanome ilay baiko? Sa dikapetaka “Copie-Coler” tany ambadika tany idray izy iny ka tsy hay akory izay nolazainy fa fitiavana te hiteniteny fotsiny no nanaovana azy.
Ekena fa ny teny frantsay no teny fampiasa any anatin’ny fandraharaham-panjakana, saingy oviana vao hisy ny fanomezana vahana ny teny malagasy eto Madagasikara. Efa be ny nolazaina momba azy io. Saingy tratra ny “misy mihaino” hatreto. Tsy sanatria fanizingizinana ny zavatra efa nolazaina fa aleo miala nenina toy izay ho adinina amin’ny tsy filazana ny tsy mety teto amin’ity tany ity.
Koa raha tena milaza isika fa mahaleo tena dia sahia mandray andraikitra. Ilay fahasahiana, ilay fitiavana ary ilay finiavana no aoka hibaiko fa aza ny fialokalofana ao ambadiky ny lalàna, ilay hajejoana sy ilay hakamoana no hanilikilihana ny teny malagasy.

Mandimby Maharo:

En souvenir de cette fille qui aime les câlins. Elle en demande toujours à chaque fois qu’on se rencontre. Autour d’une tasse de thé, entre les plats des restaurants de Tana, elle a toujours su afficher un sourire malgré la maladie qui rongeait à l’intérieur;
Repose en paix ma chère amie, je me souviendrai toujours de ses chat à 01h du mat juste pour te tenir compagnie dans ta douleur…

Originally posted on A Star Shines in You:

Image

Les câlins ont été inventés pour montrer aux personnes que tu les aimes sans avoir à dire quoi que ce soit”

Image

(Ce billet de blog n’est pas à caractère pornographique.)

La plupart des gens (à Mada) se font la bise au moment où ils se saluent.  Personnellement, moi j’aime qu’on me salue à la manière américaine : rien de tel qu’un bon gros câlin) !

Quand tu me câlines, je peux à peu près te connaitre un peu plus que tu ne le crois… Sans un seul mot mais juste un corps à corps amical.

Les styles de câlins qui se sont déjà interagis avec mon petit corps de petit tweety.

Image

Câlin numéro 01 : Le câlin fuyant

Je ne sais pas pourquoi il y a des individus qui ont peur des câlins. (mdr)

Le câlin que je qualifie de fuyant est celui ou la personne qui te câline ne te tiens presque…

View original 316 more words

Solombavambahoaka 111 amin’ny 111 tonga nandatsabato no nandany fa nomena an’dRakotomamonjy Jean Max ny fitarihana ny Anteninieram-pirenenan’i Madagasikara ny 03 Mey 2014. Avy amin’ny vondrona PMP moa ity lasa filohan’ny andrimpanjakana mpanao lalana ity, izay hany kandida tokana nirotsaka ho amin’izany toerana izany. 59 taona izy, manana ny marimpahaizana “license en économie”, solombavambahoakan’i Madagasikara lany tao Andapa, efa minisitry ny fizahantany tao amin’ny tetezamita ary efa mpikambana tao amin’ny filankevitra ambonin’ny tetezamita ihany koa.

RAKOTOMAMONJY Jean Max; Filohan'ny Antenimieran'i Madagasikara

RAKOTOMAMONJY Jean Max; Filohan’ny Antenimieran’i Madagasikara

blockquote>Voalohany indrindra dia atao ny fandaniana ireo lalàna afahan’ny vahoaka mioty ny vokatry ny asa fampandrosoana satria efa ela loatra nihodikodinana ny firenena. Miroso amin’izao ny fampandrosoana ka izay aloha no imasoana. Manarak’izay ihany koa dia ilaina ny hisian’ny fitoniana, fifankatiavana eto amin’ny firenena mba hialana amin’ny ady amin’ny samy malagasy ka tokony hajanona amin’izay izany fa pejy vaovao no irosoan’i Madagasikara manomboka izao.

Izay no nambarany vao lany izy.

Notanterahina io hariva ny 04 Mey io koa ny filoha lefitra isam-paritany 6 ka toy izao ny vokatra tamin’izany:

- FIANARANTSOA: ANDRIANARIVO Harimampianina Razakarivelo (IND – Ambositra)
- ANTSIRANANA: MAHAZOASY Mananjara Freddie Richard (MDM – Antsiranana I)
- ANTANANARIVO: RAZAFIMANANTSOA Lobo Hanitriniaina (Mouvance ravalomanana – Antananarivo I)
- TOAMASINA: RAZAFINDRAVELO Hermann (MAPAR – Fénérivo Antsinanana)
- MAHAJANGA: REMI dit JAO JEAN (VPM MMM – Antsohihy)
- TOLIARA: HELSON Brisson Erafa (IND – Toliara II)

Mitohy amin’ny fifidianana ireo kestera moa ny ao Tsimbazaza amin’izao fotoana hanoratanay izao…

Fihaonana tao amin’ny Ivongazety malagasy no nentina nankalazana ny Andro isaisam-pirenenena ho amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety teto Madagasikara, androany 03 May 2014. Lohahevitra dinihina amin’ity taona ity moa ny hoe : Ny fahalalahan’ny serasera ho an’ny ho avy tsaratsara kokoa;fandraisan’anjara amin’ny tetiandro ho an’ny fampandrosoana aorian’ny 2015. Tonga nanatrika ity fihaonana ity ny Minisitra ny serasera, fampahalalam-baovao sy ny fifandraisan’ny andrimpanjakana, Reboza Cyrille. marobe ihany koa ireo mpanao gazety nanatrika izany.

Fanentanana ho ataon'ny Unesco ny 5-6 may ho avy izao ao Parisy.

Fanentanana ho ataon’ny Unesco ny 5-6 may ho avy izao ao Parisy.


Ny asa fanaovan-gazety izay manana tanjona ny hampita vaovao, fa indrindra koa ny hanabe ny vahoaka amin’ny maha fiarahamonim-pirenena azy. Nanao fanadihadina ireo olona mpanjifa ny asa-gazety ary izahay mba afahana mandrefy ny dingana tratra amin’ireo tanjona ireo:

Nisy koa ny hafatra nentin’ny Minisitra tompon’andraikitry ny asa fanaovan-gazety ho an’ireo mpiara miombon’antoka aminy sy ny mpanao gazety. Anisan’ny misongadina tamin’izany ny fahavononan’ny ministera ny handinika tsirairay ny atonta-taratasin’ireo haino aman-jery nihidy hatrizao. Efa nisy hoy izay ny fihaonana tamin’ny tompon’andraikitry ny Radio Fahazavana, ary efa nisy koa ny fihaonana tamin’ny Masoivoho amerikana mba handinihana ny mety ho fiaraha-miasa. Fotoanan’ny fandaminana sy ny fametrahana ny asa fanaovan-gazety amin’ny toerany izao hoy ny rehetra ka ilana ny fiaraha-mientana. Fandaminana izay ilana ny hametrahana ny Olafitra sy ny Lalana mifehy ity asa iray ity. Isan’ny asa miandry ny fanaovan-gazety koa ny fidirana ao anatin’ny tontolon’ny serasera amin’ny Internet. Efa manana tetik’asa ny hampiofana ireo mpanao gazety ny amin’io fivoharan’ny asa io ny Oniversite an’Antananarivo. Fiofanana izay ilaina tokoa raha ny hafatra nomen’ny Sekretera jeneralin’ny Firenena mikambbana sy ny lehiben’ny UNESCO, izay notanterin’ny Minisitra tamin’ny ampahany:

Raha ny tatitra navoaky ny Reporter sans frontière aloha dia mbola misy ny olana mila vahana eto Madagasikara ny amin’ny fahalalahan’ny mpanao gazety. Irina noho izany fa ity Repoblika fahaefatra ity dia hahay haka ny fepetra hamahana ireo olana sedrain’ny gazety ireo.

SARITANY AHITANA NY TATITRY NY RSF

SARITANY AHITANA NY TATITRY NY RSF

Ho an’ny mpikirakira ny Internet hampitana vaovao toa ahy dia misy ny fanantenana ny amin’ny hiroborobon’ity asa ity eto Madagasikara. Nampitaina tamin’ny tompon’andraikitra rahateo ny olana sedraina amin’ity asa ity toy ny faharatsian’ny kalitaon’ny Internet, ny tsy fisian’ny lalàna mifehy izany ka manjary maharatsy laza ny Internet, ary indrindra indrindra ny tsy fisian’ny fampiofanana mitohy sy manokana izany eto Madagasikara.

This slideshow requires JavaScript.

Fetin’ny Mpiasa, andro iraisam’pirenena ho an’ny asa. Samy anarana nomena ity andro ity mba handinihana ny tontolon’ny asa ity ireo. Raha tolona sendikaly no niatombohan’izany fanamarihana izany dia tsy ny sendikà intsony no mila mifantoka ny amin’ny olana mahazo ny mpiasa, sy hy olana eo amin’ny sehatry ny asa fa ny fanjakana sy ireo voakasik’izany iray manontolo mihintsy.

Raha ny tatitra nataon’ny Organisation Internationale du Travail, dia tanora 75 tapitrisa eo anelanelan’ny 25 – 35 taona eran-tany no tsy an’asa, ka ny 38 tapitrisa amin’ireo dia aty Afrika avokoa. Ny 40% ny tanora eto an-tany nefa dia afrikana avokoa. Ankoatry ny olana ara-toekarena aterak’io tsy fanana’asa io dia lasa olana saosialy koa izy ity. mitombo ny mpangalatra, misy koa ireo miditra amin’ny asa tsy ara-dalana eo amin’ny asa ataony ka mampihena ny vola miditra ao amin’ny kitapom-panjakana. Izay indrindra no mahatonga ity sampandraharaha iraisam-pirenena ity nanome toromarika ny hamerenana indray n tohana toekarena sy saosialy amin’ny alalan’ny famoronana’asa.

Ho an’ny Madagasikara manokana dia olana sedrain’ny malagasy ny tsy fananan’asa. Ny Instat dia manome ny salan’isa toy izao:

Ezaka iarahan’ny eran-tany noho izany ny famoronan’asa. Ezaka goavana kosa raha ny eto Madagasikara, indrindra fa ny any amin’ny faritra maro izay tratra aoriana tokoa mihoatra amin’ny hafa.

23 Aprily, andro iraisam-pirenena ho an’ny Boky. Tsenabe ny Boky ny nentina nanamarihana izany teto Madagasikara. Izany dia nokarakaran’ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy sy ny fikambanan’ireo mpanota boky eto Madagasikara ny 22-25 Aprily lasa teo. Andiany fahafolo ity nokarakaraina ity ary teo amin’ny zaridainan’Antaninarenina, toy ny isan-taona ihany, no nanaovana azy.

Tranoheva 14 no nandrafitra ity tsenabe ity, izay nandraisan’ireo mpanota boky, mpivaro-boky, tranomboky sy ireo rehetra misahana ny asa fanontana sy fampielezana boky eto Madagasikara. Isan’ireo nandray anjara ny Edition Ambozontany, ny Librairie Mixte, ny masoivohon’ny Etazonia, ary mazava ho azy fa isan’ireo nibahana toerana ireo mpvaro-boky kristiana. Nisy ny fivarotana araka ny maha tseana azy, fa isan’ireo nahasarika olona be koa ny zoro izay natokana indrindra hamakiana boky. Raha ny tombana dia 200 isan’andro ireo namaky boky tamin’ity toerana ity. Tsy nifidy dokajin-taona sy sokajim-boky novakiana izany fa hatramin’nt zaza vao mahay mamaky teny ka hatramin’ny lehibe nahazo taona dia voasarika avokoa. Nisy rahateo fotoana natokana hamakiana boky miaraka ho an’ny ankizy.

Isan'ireo mpanentana amin'ny famakiamboky ny Lions Club sy ny Fondation Telma. Amin'ny alalan'ny fitetezam-bohitra itondrana ny Biblio Bus no anatanterahany izany.

Isan’ireo mpanentana amin’ny famakiamboky ny Lions Club sy ny Fondation Telma. Amin’ny alalan’ny fitetezam-bohitra itondrana ny Biblio Bus no anatanterahany izany.

Ity hetsika ity dia manana tanjona ny hampirisika ny malagasy hamaky boky. Tsapa manko fa mihena ny fitiavan’ny malagasy mamaky boky. Mihena toy izany koa ny fanontana boky eto Madagasikara satria dia 119 monja ny karazam-boky nantonta teto an-toerana tamin’ny taona 2013. Raha hoarina amin’ny any ivelany ohatra dia 9 isan’ora no karazam-boky voatonta ny any Frantsa. I Etazonia kosa no mpivarotra boky be indrindra eto an-tany satria dia 751.729.000 raha ny taona 2010 monja.
Fantaro koa fa ny Baoboly no boky be mpividy indrindra(900 tapitrisa): i Agatha Christie no mpanoratra nahalafo boky be indrindra(2 lavitrisa): i K. Rowling mpanoratra ny Harry Potter kosa no mpanoratra manankarena indrindra ary ny “Le Petit Prince” nosoratan’i Saint-Exupéry no boky teny frantsay be mpividy indrindra.RAha ny eto Madagasikara dia ny Baiboly no be mpividy indrindra, ankoatr’ireo boky ampiasaina any an-tsekoly.

Loharanom-pahalalana ny boky ka isan’ny hetsika tsara tohizana ity hetsika ity. Ny tsapa manko dia malaina ny handray anjara amin’izany ireo mpisehatra amin’izany fampiroborobona ny vaky boky. Ampirisihana koa ny hamakiana boky any amin’ireny tranom-boky maro samihafa ireno?

Akon’ny Valandresaka narahana adihevitra momba ireo nosy Europa, Bassas da India, Juan de Nova, ireo nosy Glorieuses, ahitana ny Grande Glorieuse sy Lys, ary Tromelin ity entina ho antsika ity. Fanazavan-kevitra natao ny 24 aprily 1014 tao amin’ny efitrano fivorian’ny Ministeran’ny raharahambahiny Anosy. Indro ary ny fanazavana nentin’Andriamatoa Raniriharinosy Harimanana, Mpahaylalana sady filohan’ny SECES.

Anisan’ny ady miandry ny Repoblika faha4 ny famerenana ireo nosy izay manankarena amin’ny entona sy solika ireo. Miandry izay ho fanampaha-kevitra isika, na hiroso amin’ny fitakiana izany ny fanjakana malagasy na hatahotra.

Ny 18 Aprily 2014 no natolotra ireo mpikambana ao amin’ny governemata ny Repoblika faha efatr’I Madagasikara. Mpikambana izay nofidian’ny Filoha Hery Rajaonarimampianina araka ny tolotra nataon’ny Praiminisitra Kolo Roger. Mijoro avokoa izany izao ny rafitra hitondrana an’I Madagasikara ao anatin’ny 5 taona Manaraka. Ireto avy ary ireo mpikambana ao amin’ny governemanta ireo, araka ny didim-panjakana laharana faha 2014 – 235 (Novakiana tamin’ny teny BAIKO) nosoniavin’ny filohan’ny repoblika sy ny praiminisitra.

Ireo mpikambana ao amin'ny Governemanta. Sary: Fiadidina ny Repoblika ny Madagasikara

Ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta. Sary: Fiadidina ny Repoblika ny Madagasikara

Ministre d’Etat chargé des Infrastructures, de l’Equipement et de l’Aménagement du Territoire
Monsieur RAKOTOVAO Rivo
Ministre auprès de la Présidence chargé des Ressources Stratégiques
Monsieur LALAHARISAINA Joéli Valérien
Ministre de la Défense Nationale
Général de division RAKOTOZAFY Dominique Jean Olivier
Ministre des Affaires Etrangères
Madame RAZAFITRIMO Arisoa Lala
Garde des Sceaux, Ministre de la Justice
Madame RAMANANTENASOA Noëline
Ministre des Finances et du Budget
Monsieur RAZAFINDRAVONONA Jean
Ministre de l’Economie et de la Planification
Général de division RAVELOHARISON Herilanto
Ministre de l’Intérieur et de la Décentralisation
Monsieur MAHAFALY Solonandrasana Olivier
Ministre de l’Industrie, du Développement du Secteur Privé et des Petites et Moyennes Entreprises
Monsieur JULES Etienne Rolland
Ministre de l’Agriculture et du Développement Rural
Monsieur RAVATOMANGA Rolland
Ministre de la Santé Publique
Monsieur le Premier Ministre, KOLO CHRISTOPHE Laurent Roger
Ministre de l’Enseignement Supérieur et de la Recherche Scientifique
Madame RASOAZANANERA Marie Monique
Ministre de l’Education Nationale
Monsieur RABARY Andrianiaina Paul
Ministre de l’Emploi, de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle
Monsieur HORACE Gatien
Ministre des Travaux Publics
Monsieur RATSIRAKA Iarovana Roland
Ministre de la Sécurité Publique
Contrôleur Général de Police RANDIMBISOA Blaise Richard
Ministre de l’Environnement, de l’Ecologie et des Forêts
Monsieur RAMPARANY Anthelme
Ministre du Commerce et de la Consommation
Monsieur RAFIDIMANANA Narson
Ministre de l’Energie
Monsieur FIENENA Richard
Ministre de l’Eau
Madame NDAHIMANANJARA Bénédicte Johanita
Ministre des Ressources Halieutiques et de la Pêche
Monsieur AHMAD
Ministre de l’Elevage et de la Protection Animale
Monsieur RANDRIAMAMPIONONA Joseph Martin
Ministre du Transport et de la Météorologie
Monsieur ANDRIANTIANA Jacques Ulrich
Ministre de la Fonction Publique, du Travail et des Lois Sociales
Monsieur MAHARANTE Jean de Dieu
Ministre de la Population, de la Protection Sociale et de la Promotion de la Femme
Madame JOHASY Raharisoa Eléonore
Ministre du Tourisme
Monsieur RAMANANTSOA Ramarcel Benjamina
Ministre des Postes, des Télécommunications et des Nouvelles Technologies
Monsieur RAKOTOMAMONJY André Neypatraiky
Ministre de la Communication, de l’Information et des Relations avec les Institutions
Monsieur REBOZA Mahaforona Cyrille
Ministre de la Jeunesse et des Sports
Monsieur ANDRIAMOSARISOA Jean Anicet
Ministre de l’Artisanat, de la Culture et des Patrimoines
Madame RANDRIANARISOA Vaonalaroy
Secrétaire d’Etat auprès du Ministère de la Défense Nationale chargé de la Gendarmerie
Général de division PAZA Didier Gérard

Nisy avy hatrany ny filan-kevitry ny minisitra taorian’io fanendrena io ka toy izao no vonto atiny.

COMMUNIQUE DE PRESSE Conseil des Ministres – Vendredi 18 avril 2014 Palais d’Etat d’Iavoloha

COMMUNIQUE DE PRESSE
Conseil des Ministres – Vendredi 18 avril 2014
Palais d’Etat d’Iavoloha

Ny mpandinika politika dia samy milaza fa governemanta ny fanampenam-bava ireo atahorana hitabataba ity najoro ity. Vitsy ireo tena teknisiana amin’ny toerana ametrahana azy ary tsapa koa ny kitranoantrano ao amin’izao firafitra izao.

Izaho manokana dia mametraka fanontaniana ny amin’ny tsy namakiana, na fara fahakeliny ny nandikana ity didy ity tamin’ny teny Malagasy. Ny fanazavana moa dia hoe mba afahan’ireo vahiny mahazo ny hevidehibeny no antony namakiana azy ampahibemaso tamin’ny teny vazaha. Midika ve izany fa tsy natao hahazo ny toe-draharaha eto Madagasikara ny vahoaka Malagasy?

Natolotr’i Hery Rajaonarimampianina, Filoham-pirenen’i Madagasikara ny vahoaka malagasy ny Praiminisitra hiara hiasa aminy; Notanterahina teny Iavoloha androany 11 Aprily ny fanolorana ity praiminisitry ny Repoblika fahefatra ity . I Kolo Roger no lany tamin’izany. Novakiana teo imason’ny rehetra ny didimpanjakana mirakitra izany:

Didimpanjakana manendry ny Praiminisitry ny Repoblika faha efatra
Didimpanjakana manendry ny Praiminisitry ny Repoblika faha efatra

Anarana 18 no nisy nanatitra teny Ambohitsirohitra ka ireto antoko pilitika sy vondrona ireto ny nanolotra izany :

PATRAM
VPM-MMM
PSD
LEADER FANILO
HARENA
ADHEM FIZAFA
MTS
FFF
ZANAK’I DADA
MDM
PARTI VERT
LES AS

Ho antsika izay tsy mahalala firy ny momba ity praiminisitra ity dia indro misy famintiana fohy ny momba azy :

Kolo Roger, mpitsabo manampahaizana manokana amin’ny Fitarafana (radiologie).
Teraka ny 3 septambra 1943 tao Belo sur Tsiribihina, Kolo Roger dia niteraka telo ary manambady an’i Zakia Katoun izay zanaky ny faritry Belo sur Tsiribihina koa.
Fianarana ambaratonga fototra :
- EPP Maintirano
- EPP Mahajanga

Nanohy ny fianarana ambaratonga faharoa teto Antananarivo

Fianarana ambaratonga ambony :
- Ecole Normale Superieure
- Université an’ Antananarivo (sampana fitsaboana)
- Université fampiofanana mpitsabo any Genève, Suisse

Marim-pahaizana ambony anananany:
- Diplôme de Médecine, Genève (1982)
- Fahaizana manokana momba ny taratra (radiologie)

Ny asa efa nataony:
- Mpampianatra matematika sy fizika
-Mpitsabo tao Mahajanga
- Mpianatr’asa tany Frantsa
- Nanangana foibe momba ny taratra ( Radiologie) ho azy manokana ny taona 1997

Teo amin’ny sehatra politika dia tsy dia nisehoseho izy raha tsy tamin’ny taona 2013 izay nirotsahany ho filoham-pirenena. Noho izy tsy nonina teto Madagasikara tao anatin’ny 6 volana araka ny voalazan’ny lalana nefa dia nolavin’ny fitsarana ny firotsahany. Nony nahemotra ny fifidianana dia nanolotra an’i Hery Rajaonarimampianina izy sy Jules Etienne, kandida tsy nahafeno fepetra koa.

Izao fanendrena azy ho praiministra izao izany no sehatra idirany amin’ny sehatra politika. Olom-baovao izy. Izay aloha no azo lazaina. Izay politika itondrany ny governemanta kosa mbola tsy fantatra fa ny filoha Hery aloha dia mametraka toky aminy “satria efa nanampy antsika hatrizay izy” hoy ny filoha tao anaty ny kabariny.

« Famerenana ny hasin’Antananarivo ». io no fototry ny asa rehetra tanterahin’ny Fivondronana Antananarivo Renivohitra tarihin’ny Filohan’ny Delegasiona manokana Ny Hasina Andramanjato. Loha-laharana amin’izany ny fanalana ny fako misavovona efa ho volana maro izay. Eo koa ny fandaminana ny fifamoivoizana. Ho jereny manokana koa ny fandaminana ny tsena sy ireo mpivarotra amoron-dalana, ka isan’ireny ny makorelina, na ny mpivarotena.

Izy no iza?

Avotra, 20 taona. 3 taona nanaovana makorelina. Tsy manana karatra izy saingy manaramaso ny fahasalamany eny amin’ny hopitaly matetika. Ny fahantran’ny ray amandreniny no nanosika azy hivarotena , ary ny tsy fahitany asa noho izy tsy ampy diplaoma no mbola hanaovany izany hatrizao. Mahazo 10000 Ar ka hatramin’ny 25000 Ar isaky ny alina ivoahany eny Analakely izy ka izay no entiny hamelomany ny zanany 4 taona. Tsy mahamenatra hoy izy ny asany satria sady mahazo vola izy no afaka manararaotra ny fahatanorany. Mandrapahita asa hafa aloha dia aleony miaraka mifoka, misotro ary manome fahafinaretana ireo mpilalao fitia.

Nanomboka ny Alakamisy 03 aprily teo ary dia noraran’ny kaominina ny fijorojoroan’ireto mpivarotra fahafinaretana ireto eny amin’ny faritr’i Tsaralalàna, Analakely,Antanimena, Antaninarenina sy 67Ha. Fampiharana ny andininy faha-334 amin’ny fehezan-dalàna famaizana tamin’ny taona 1999 izao atao izao raha ny voalaza ao anatin’ilay baiko midina. Ny tanjona voalohany noho izany dia ny hanalana ireo tsy ampy taona manao ity asa ity. Ankoatr’izay dia voalaza fa miteraka tabataba sy mahabe ny fako eny amin’ireo faritra ireo ny fisian’ireto mpijorojoro eny amoron-dalana ireto.Manginy fotsiny ny maha lasa toerana fieren’ny jiolahy sy ny mpanendaka aany amin’ireny elakela-trano sy hotely be makorelina ireny. Ka izay no antony manosika ny kaominina hanao izao fanenjehana izao.

Manoloana io fanenjehana io dia nanao fihetsiketseha fanoherana ireto tovovavy ny alina ireto. Tsy manaiky ny hanalana azy amin’ny asany izy ireo raha toa ka mbola tsy misy vahaolana maharitra atolotry ny fanjakana. “Tsy fidiny ho anay no manao izao asa izao fa noho ny tsy fisin’ny orinasa sy ny fikatonan’ny zones franches dia izao aloha no atao mba hamelomanay ny zanakay.” hoy izy ireo. Maro amin’ireo mpivarotena tokoa manko no manambady sy manan-janaka mianatra. “Afaka manampy ny fanjakana izahay amin’ny fanoroana ireo zaza tsy ampy taona mivarotena sy manome ny anaran’ireo jiolahy miriaria ety satria fantatray avokoa izy ireo” hoy ny sasany amin’izy ireo. “Mpifaninana tsy ara-dalana aminay sady manimba ny tsena manko ireo ka raha vonona ny fanjakana dia hanampy azy izahay; samy mahazo tombony amin’izay” hoy ihany izy ireo nanohy ny teniny.
Raha ny fanisana manko dia maherin’ny 20000 ireo tovovavy mivarotena eny amin’ireo toerana mafana eto andrenivohitra ireo. Ny 8000 amin’ireo ihany nefa no manana ny karatra fizaham-pahasalamana afahany manao ity asa ity “ara-dalana”. Io karatra nomen’ny fanjakana io tokoa manko no ahitana ny mombamomba ny makorelina iray: ny anarany feno, adiresy, ny taona ary indrindra ny tsy fintondrany ny otrikarenina SIDA sy ireo aretin’ny fitaovam-pananahana maro. “Aina no amidy ety! Ka raha manome asa hafa mendrika ho anay ny fanjakana dia hiala izahay!” hoy ireto tovovavy ireto namarana ny teniny.

Hatreto tokoa aloha izany dia io vahaolana vonjimaika io hatrany no hitan’ny fanjakana. Ilaina ny fanadiovana ny tanàna nefa maika koa ny fanomezan’asa ny mpandoto tanàna. Tsara koa ny mampihatra lalàna fa tokony hisy fepetra koa hafahan’ny olona manaraka ny lalàna.

Vaovao Mivantana

Follow

Get every new post delivered to your Inbox.

Join 732 other followers

%d bloggers like this: